Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hita mandrakariva eo amin'ny zavaboary ny Heriny

Daty
Alatsinainy 11 August 2025

 "Iza no namatra ny rano teo am-pelatanany, ary nanjehy ny lanitra tamin'ny zehiny, sy namory ny vovo-tany tamin'ny vata, ary nandanja ny tendrombohitra tamin'ny fandanjana sy ny havoana tamin'ny mizana?" Isa. 40:12.

Mofon’aina:
Hoy ny mpanao Salamo: "Ny lanitra mitory ny voninahitr ' Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany. Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny aiina mandimby azy. Tsy misy teny na fiteny anefa; tsy re izay feony." - Sal. 19:1-3. Mihevitra ny olona sasany fa ireny zavatra lehibe eo amin'ny natiora ireny no Andriamanitra. Tsy Andriamanitra ireny zava-mahatalanjona eny amin'ny lanitra ireny fa manao fotsiny ny asa asaina ataony. (...) Andriamanitra no mpanara-maso ary koa Mpamorona ny zavatra rehetra. (...) Ny tanana izay mihazona ny tendrombohitra sy mampifandanja azy amin'ny toerany no mitondra an'izao tontolo izao amin'ny fihodinany eo amin'ny masoandro (...).

Tsy misy mihitsy hetsika ataon'ny natiora ka tsy hitantsika ao amin'ny Tenin'Andriamanitra. Izany dia manambara fa "Izy mampiposaka ny masoandrony" ary mampilatsaka ny ranon'orana. Izy no "mampaniry ahitra ny tendrombohitra (...) Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy. Mandatsaka ny havandrany tahaka ny sombintsombin-javatra Izy (...) Mamoaka ny teniny Izy ka mampiempo ireny; mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano." (...) (Mat. 5:45; Sal. 147:16-18)

 Asehon'ireo tenin'ny Soratra Masina ireo fa tsy misy lalàna mahaleo tena eo amin'ny zavaboary. Manome ny zavatra ilaina sy ny fitaovana hanatanterahana ny planiny Andriamanitra. (...) Nalefany ny ranon'ando, ny orana sy ny masoandro mba hahatonga ny zava-maitso hiroborobo sy hamelatra ny karipetrany manerana ny tany, mba hahatonga ny hazo madinika sy ny hazo fihinam-boa hitsiry sy hamelana ary hamoa

 Diso ny fiheverana fa misy lalàna apetraka mba hiasan'ny voa amin'ny tenany; na koa hoe mipoitra ny ravina satria ny herin'ny tenany ihany no anaovany izany. Andriamanitra dia manana ny lalàna izay efa napetrany, saingy fitaovana ampiasainy mba hampisy vokatra ihany ireny. (...). —RH, 17 Marsa 1904. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal