"Iza moa no nihady lalan-drano ho an 'ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an 'ny helatry ny kotrokorana, handatsaka ranonorana ambonin'ny tany izay tsy itoeran'olona, dia any amin'ny efitra tsy misy mponina, mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry?" — Jôba 38:25-27.
Mofon’aina:
Ilay nanao ny fanorenan'ny tany, nameno ny lanitra sy nametraka ny kintana ho eo amin'ny filaharany, nampitafy ny tany tamin'ny karipetra velona ary nanome endrika tsara izany tamin'ny voninkazo tsara tarehy manana loko sy endrika samy hafa, no misintona ny zanany hitia ny asan'ny tanany amin'ny hatsaran-tarehy tsotra sy milamina nanaingoany ny fonenan'izy ireo teto an-tany.
(...) Nahoana moa no tsy nataon' Andriamanitra volon-tany na volon-davenona ny karipetra nanafiany ny tany? Nofidiny ny loko mampitony indrindra, izay mora raisin'ny retsi-pandre indrindra. Endrey mampahery ny fo sy mamelombelona ny fanahy reraka ny mijery ny tany mitafy ny fitafiany maitso mavana! Raha tsy eo izany dia ho feno vovoka ny rivotra ary ho toy ny efitra ny tany. Ny ahitra rehetra, ny tsiry mamony sy ny voninkazo mamelana rehetra, dia mariky ny fitiavan'Andriamanitra, ary tokony hampianatra lesona antsika mikasika ny finoana sy ny fitokiana Aminy.
Mampitodika ny saintsika i Kristy hijery ny hatsaran-tarehy voajanahary ananan' ireny, ary manome toky antsika fa na ny fitafiany tsara indrindran'ny mpanjaka lehibe indrindra teto an-tany aza dia tsy manam-pitoviana amin'izay tafian'ny voninkazo tsotra indrindra (...).
Asehoko eo anatrehanao i Kristy izay voahombo. Atolory azy ny fitiavana tsara indrindra ao am-ponao. Omeo Azy ny fahaizanao fa Azy izany. Omeo azy ny talenta entinao miasa sy mitaona ny hafa fa nampindramina anao hohatsaraina ihany izany. Navelan'i Jesosy ny akanjom-piandrianany, niala teo amin'ny seza fiandrianany izay maharitra mandrakizay Izy ka nitafy ny maha-olombelona, ary noho ny amintsika dia nanjary mahantra Izy, mba hahatonga antsika hanan-karena amin'ny alalan'ny fahantrany. Manan-karena vola ve? Tany? Petra-bola any amin'ny banky? Tsia, fa mba hahazoantsika antoka ny hananana harena maharitra mandrakizay. (...). — RH, 27 Oktôbra 1885.