"Mampaniry ahitra ho an'ny biby fiompy Izy sy anana hahasoa ny olona, ary mamoaka hanina avy amin'ny tany." — Sal. 104:14.
Mofon’aina:
Nisy fiomanana natao tany amin'ny toerana sasany mba hana-diovana ny tany ho amin'ny fananganana toeram-pitsaboana. Nomen'Andriamanitra antsika ny fahazavana izay mampahafantatra fa mahasalama ny fofon'ny hazo kesika, ny hazo sedera ary ny kypreso. Ary marobe koa ireo karan-kazo manana fahafaha-manasitrana sy manatsara ny fahasalamana.
Aoka tsy hotapahina tsy misy antra ny hazo tahaka izany. Tsara kokoa ny mifidy toeran-kafa hanorenana toeram-pitsaboana noho ny manapaka ireo hazo maitso mandavan-taona ireo. Misy lesona maro ho antsika ao amin'ireo hazo ireo. Hoy ny Tenin'Andriamanitra: "ny marina hamololona tahaka ny rofia; hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy". - Sal. 92:12. Hoy i Davida hoe: "Fa izaho dia tahaka ny hazo oliva maitso ao an-tranon'Andriarnanitra. Matoky ny famindram-pon'Andriamanitra mandra-kizay doria aho." - Sal. 52:8.
Ampitovina amin'ny sederan'i Libanona ny Kristianina. H itako tao anaty boky fa io hazo io dia tsy hoe manorina faka kely fotsiny ao anatin'ny tany; (...) mamaka lalina kokoa izy hahitany famaharana mafy kokoa. Ary rehefa tonga ny tafiotra mafy dia hahafahatra izy satria voahazon'ireo fakany lehibe any ambanin'ny tany.
Tahaka izany koa ny Kristianina mamaka lalina ao amin'i Kristy. (...) Fantany izay inoany, ary resy lahatra tanteraka izy fa i Jesosy no Ilay Zanak' Andriamanitra sy Mpamonj y ny mpanota. (...) Ny tena Kristianina marina, tahaka ny sederan'i Libanona, dia tsy maniry eo amin'ny tany malemy, fa miorim-paka ao amin'Andriamanitra (...).
Ianaro ny lesona avy amin'ny hazo. (...) Mangataka aminao aho tsy hanapaka ny hazo kesikao, fa ho fitahiana ho an'ny maro izany, avelao izy ireny ho velona.
Tiako ny hilaza aminareo ranadahy sy rahavavy, fa mitondra amim-bavaka sy miray fo aminareo aho amin'ny asa ataonareo. Tadidio fa hazo eo amin'ny sahan'ny Tompo ianareo, ary ny fiarovan' Andriamanitra dia rnanodi d ina anareo. Arakaraka ny mahavelona ny tsipika manasaraka ny voninkazon'Andriamanitra amin'ny songosongo sy ny tsilon'ireo zava-manirin'i Satana no hanomezam-boninahitra ny Tompo bebe kokoa. — SMC, 228, 229.
Zoma 15 Aogôsitra Tantanan'ny Mpamorona sy tohanany ny zavaboary "Mihirà fiderana ho an 'i Jehovah; Mankalazà an 'Andriamanitsika amin'ny lokanga, izay manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin'ny tany, Izay mampaniry ahitra ny tendrombohitra." — Sal. 147:7,8.
Tsy miasa ho an'ny tenany ny natiora fa manompo ny Mpamorona azy. Tsy manafoana ny lalàny Andriamanitra na miasa manohitra azy ireny; mbola mampiasa ireny hatrany Izy amin'ny maha-fitaovany ireny. Ny zavaboary dia mijoro ho vavolombelon'ny fahaizana, ny fanatrehana, ny hery izay miasa ao aminy sy amin'ny alalany ary any ankoatry ny Ialàna mifehy azy. Miasa tsy tapaka ao amin'ny zavaboary ny Ray sy ny Zanaka. Hoy i Kristy: "Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa." - Jao. 5:17.
Vitan'Andriamanitra ny asa famoronana nataony, nefa mbola miasa amin'ny fihazonana ireo zavaboariny hatrany ny Heriny. Tsy mandeha amin'ny herin'ny tenany ny vatana raha manohy ny asa napetraka hataony hatrany am-boalohany ka mampitepo ny fo sy mampisy ny fofonaina. Ny fofonaina tsirairay sy ny fitepon'ny fo dia porofon'ny fikarakarana manenika ny tena manontolo ataon'Ilay ivelomantsika sy tompon'ny aintsika.
Tsy noho ny herintsika tsy akory no mahatonga ny tany hamokatra be isan-taona sy hanohy ny fihodinany amin'ny masoandro. Ny tanan'Andriamanitra no mitantana ireo planeta ary mihazona izany amin'ny fihodinany eny amin'ny lanitra. Amin'ny alalan'ny heriny no mampiroborobo ny zava-maniry sy mampipoitra ny ravin-kazo ary mampamelana ny voninkazo. Ny teniny no mifehy ireny; noho ny Aminy no mampisy voa eny an-dohasaha. Izy no mandrakotra rahona ny lanitra, ary manomana ranon'orana ho an'ny tany; Izy no "mampaniry ahitra ny tendrombohitra". "Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; mampiely fanala tahaka ny tavenona Izy". "Raha nampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia mampiakatra fofona avy any amin'ny farany tany; manao ny helatra ho amin 'ny ranonorana Izy Sady mamoaka ny rivotra avy amin 'ny firaketany." - Sal. 147:8,16; Jer. 10:13. (...) Eo amin'ny asan'ny tanany rehetra ny fiahiany. Tsy misy zavatra lehibe loatra ka tsy ho voafehiny ary tsy misy zavatra kely loatra ka tsy ho hitany. — ST, 20 Marsa 1884.