Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tantanan'ny Mpamorona sy tohanany ny zavaboary.

Daty
Zoma 15 August 2025

 "Mihirà fiderana ho an 'i Jehôvah ; Mankalazà an 'Andriamanitsika amin'ny lokanga, izay manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin'ny tany, Izay mampaniry ahitra ny tendrombohitra." — Sal. 147:7,8.

Mofon’aina:
Tsy miasa ho an'ny tenany ny natiora fa manompo ny Mpamorona azy. Tsy manafoana ny lalàny Andriamanitra na miasa manohitra azy ireny; mbola mampiasa ireny hatrany Izy amin'ny maha-fitaovany ireny. Ny zavaboary dia mijoro ho vavolombelon'ny fahaizana, ny fanatrehana, ny hery izay miasa ao aminy sy amin'ny alalany ary any ankoatry ny Ialàna mifehy azy. Miasa tsy tapaka ao amin'ny zavaboary ny Ray sy ny Zanaka. Hoy i Kristy: "Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa." - Jao. 5:17. 

Vitan'Andriamanitra ny asa famoronana nataony, nefa mbola miasa amin'ny fihazonana ireo zavaboariny hatrany ny Heriny. Tsy mandeha amin'ny herin'ny tenany ny vatana raha manohy ny asa napetraka hataony hatrany am-boalohany ka mampitepo ny fo sy mampisy ny fofonaina. Ny fofonaina tsirairay sy ny fitepon'ny fo dia porofon'ny fikarakarana manenika ny tena manontolo ataon'Ilay ivelomantsika sy tompon'ny aintsika.

Tsy noho ny herintsika tsy akory no mahatonga ny tany hamokatra be isan-taona sy hanohy ny fihodinany amin'ny masoandro. Ny tanan'Andriamanitra no mitantana ireo planeta ary mihazona izany amin'ny fihodinany eny amin'ny lanitra. Amin'ny alalan'ny heriny no mampiroborobo ny zava-maniry sy mampipoitra ny ravin-kazo ary mampamelana ny voninkazo. Ny teniny no mifehy ireny; noho ny Aminy no mampisy voa eny an-dohasaha. Izy no mandrakotra rahona ny lanitra, ary manomana ranon'orana ho an'ny tany; Izy no "mampaniry ahitra ny tendrombohitra". "Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; mampiely fanala tahaka ny tavenona Izy". "Raha nampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia mampiakatra fofona avy any amin'ny farany tany; manao ny helatra ho amin 'ny ranonorana Izy Sady mamoaka ny rivotra avy amin 'ny firaketany." - Sal. 147:8,16; Jer. 10:13. (...)
Eo amin'ny asan'ny tanany rehetra ny fiahiany. Tsy misy zavatra lehibe loatra ka tsy ho voafehiny ary tsy misy zavatra kely loatra ka tsy ho hitany. — ST, 20 Marsa 1884. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal