"Tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay." — 2 Kôr. 4:18.
Mofon’aina:
Ny tany sy ny zavatra eo aminy dia ho simba arakaraka ny iasany. Handalo ny taona vitsivitsy ary ho avy ny fahafatesana. Hotapahina ny anjaranao mandrakizay, tsy ho azo ovana intsony. Raha very ny fanahinao, ahoana no hanonerana aminao ny fahaverezany? Kristy ilay Mpanome fiainana, ilay Mpanavotra, ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra izay nanaisotra ny fahotan'izao tontolo izao dia mampitodika ny sainao ho amin'ny tontolo iray tsara kokoa. Ataony ao an-tsainao izany. Entiny ho eo am-baravaran'ny lanitra ianao hibanjina ny voninahitry ny mandrakizay, mba hahatonga ny fanirianao handray haingana ny lanjan'ny voninahitra be lavitra sy maharitra mandrakizay. Rehefa mibanjina ny toe-javatry ny lanitra ianao, dia mirehitra ao am-ponao ny faniriana hanana fisakaizana amin'Andriamanitra, ny hihavana tanteraka Aminy.
(...) Ny fahatahorana sy ny fitiavana an'Andriamanitra no tokony hisintona ny saintsika voalohany indrindra. Tsy azontsika atao ny mangataka andro ny amin'izay mahakasika ny fanahintsika. Tokony hiaina amin'ny finoana ny Zanak' Andriamanitra isika amin'izao fiainantsika izao. Fanavotana feno sy tanteraka, izay tsy ho azon'ny fanampiana avy amin' olombelona ampitomboina, no nanavotana antsika tamin'ny fahantran'izao tontolo izao.
Na dia eo aza anefa izany famin-drampo be dia be izany, izany fahafenoan'ny fitiavan'Andriamanitra izany, dia tsy mbola miraika ihany ny fon'ny olona maro, tsy mihontsona ary tsy taitra akory manoloana ny hamaroan'ny fahasoavan' Andriamanitra. Moa ve isika mitonona ho Kristianina tsy hanao ezaka hanapaka ny ozona nalefan'i Satana amin'ireny fanahy ireny? Avelantsika handeha amin'ny fahamafisam-pony ve izy ireny, tsy hanana an'Andriamanitra, tsy hanana fanantenana eto amin'izao tontolo izao? Tsia, na dia harabirabina sy lavina aza ny antso rehetra ataontsika, dia tsy azontsika atao ny mitsahatra tsy mivavaka ho azy ireo (...). Tsy maintsy manao izay azontsika atao isika, amin'ny alalan'ny fanampian'ny Fanahy Masin'Andriamanitra, mba hanesorana ny sakana mahatonga azy ireo tsy mandray ny fahazavan'ny fahamarinan'Andriamanitra. Tsy maintsy tadiavintsika izay fomba hanokafana ny masony hahatsapany ny fahajambany, mba hanafahana azy amin'ny famatoran' i Satana. — ST, 17 Jolay 1893.