Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona maro avy amin'ny zavaboary

Daty
Alahady 17 August 2025

  "Aoka hidera ny anaran’i Jehovah ireo; fa Izy no nandidy, dia ary ireo. Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy; Nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra." — Sal. 148:5,6.

Mofon’aina:
Kanto tokoa ny filazalazan'ny mpanao Salamo ny fikarakaran' driamanitra ny zavaboary any an'ala: "Ny tendrombohitra avo dia ho an 'ny osi-dia; Ny harambato no fiarovana ho an 'ny hyraka." — Sal. 104:18. Nandefa ny loharano hamakivaky ny havoana Izy, mba hanorenan'ny vorona ny akaniny ka "rantsan-kazo no anenoany" — and. 12. Ireo zavaboary any an'ala rehetra sy ny havoana dia anisan'ny ankohonany. Manokatra ny tanany Izy ka "mahavoky soa ny zava-miaina rehetra." — Sal. 145:16. - Ed, t. 118.

 Matetika ireo voromahery any an-tendrombohitr'i Alpa no atosiky ny tafio-drivo-mahery ho any an-tsefatsefaky ny tendrombohitra. Manodidina io vorona mahery io ny rahona matevina ka tsy hitany ny toerana avo tratry ny masoandro izay nanorenany ny akaniny. Toa very maina ny ezaka rehetra ataony ialana amin' ireo rahona ireo. Mivezivezy izy, mikopakopaka elatra araka izay tratry ny heriny, ary manakoako any an-tendrombohitra ny hiakany. Rehefa ela ny ela anefa dia amin-kery no hiakarany, manivatsiva ny rahona, ka tonga indray any amin'ny hazavan'ny masoandro, mamela ny haizina sy ny tafiotra any aoriany.

Mety manodidina antsika ny toe-java-tsarotra sy ny hakiviana ary ny haizina; ary mangeja antsika ny lainga sy ny loza, ary ny tsy rariny. Misy ireo rahona tsy mety misava; mitolona mafy amin'ny toe-javatra isika; tokana ihany ny lalana hahafahana mandresy izany rehetra izany. Mijanona eto amin'ny tany ny zavona, any ankoatra ny rahona kosa dia mamirapiratra ny fahazavana avy amin'Andriamanitra. Azontsika atao ny miakatra ho amin'ny fahazavan'ny Fanatrehany eo amin'ny elatry ny finoana. 

Maro ireo lesona izay tokony hianarana. Mampianatra antsika hanana toky ny hazo maniry irery eny amin'ny havoana na tendrombohitra; mamaka lalina ao amin'ny tany izy, ary mahajoro eo anatrehan'ny tafiotra mahery. Ny vatan-kazo nifamatotra sy niolikolika fony izy mbola hazo tanora, izay tsy hain'ny hery ety an-tany hovana amin'ny endrika mahitsy dia mampiseho antsika ny fiantraikan'ny hery miasa mangina voalohany. (...). — Fk, t. 129. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.
Sun 03 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandehana ka manompoa an’i Jehôvah.
Mon 04 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanokanana ny voalohan-teraka.
Tue 05 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Niampita ny ranomasina mena.
Wed 06 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandroso amim-pinoana.
Thu 07 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Ny hiran’i Mosesy sy i Miriama.
Fri 08 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanampiny.
Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.
Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal