Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny lesona lehibe indrindra avy amin'ny zavaboary.

Daty
Alatsinainy 18 August 2025

"Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny, fa izay nanao ny dia ny tànan'i Jehôvah , izay mitana ny ain'ny zava-manan’aina rehetra sy ny fofonain'ny olombelona rehetra?" Jôba 12:9,10.

Mofon’aina:
Araka izany, rehefa mahazo fahalalana avy amin'ny mpampianatra sy ny boky ny ankizy sy ny tanora, dia aoka izy ireo hisintona lesona sy hamantatra ny fahamarinana ao anatin' izany. Ametraho fanontaniana ny amin'izay lesona tsoahiny eo am-pikarakarana ny zava-maniry izy ireo. Rehefa mijery ny tontolo manodidina izy, dia anontanio azy ny antony nampitafian'Andriamanitra ny tany sy ny hazo loko tsara tarehy samihafa. (...) Ampianaro izy ireo hahita ny porofo eny amin'ny natiora rehetra eny fa mihevitra antsika Andriamanitra, ary manao ny zavatra rehetra hifanaraka amin'izay ilaintsika sy mahasambatra antsika. 

Izay mahita ny asan-tanan'ny Rainy any an-danitra eo amin'ny natiora, sy mahita ny sora-tanan'ny Tompo eo amin'ny harena sy ny fahatsaran-tarehin'ny tany no afaka hisintona lesona lehibe avy amin'izay manodidina azy, sy handray ny asa lehibe ataon'ireo. Izy ireny no afaka hahatakatra amin'ny fahafenoany ny lanjan'ny havoana sy ny Iohasaha, ny renirano sy ny ranomasina, ary mandray izany ho fanehoana ny fisainan' Andriamanitra; manambara ny Mpamorona izany. (...) Tokony hampirisihina ny ankizy hitrandraka ao amin'ny natiora ireo lohahevitra maneho ny fampianaran'ny Baiboly.

(...) Tokony hojereny eo amin'ny natiora sy ny Soratra Masina izay maneho an'i Kristy rehetra, ary ireo izay nampiasainy hanehoana ny fahamarinana. Amin'izany no ianaran'izy ireo hahita Azy eny amin'ny hazo sy ny voaloboka, eny amin'ny lilia sy ny raozy, eny amin'ny masoandro sy ny kintana. Azon'izy ireo atao ny mianatra mihaino ny feony ao amin'ny hiran'ny vorona, eny amin'ny fihofahofan'ny hazo, ao amin'ny fidonan'ny kotroka, ary ao amin'ny feon-kiran'ny ranomasina. Ary hamerina ny lesona sarobidy amin'izy ireo ny zava-drehetra ao amin'ny natiora.

Tsy ho toera-manirery sy feno fahoriana intsony ny tany ho an'ireo izay mifankazatra amin'i Kristy. Ho fonenan'ny Rain'izy ireo izany, feno ny fanatrehan'Ilay nonina teo amin'ny olombelona fahiny. - Fk, tt. 130, 131, np. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal