Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Zava-tsarobidy rantsanana na diovina

Daty
Alarobia 20 August 2025

"Indro, nodioviko ianao, nefa tsy toy ny volafotsy; efa nizaha toetra anao tao amin'ny memy fahoriana Aho." — Isa. 48:10.

Mofon’aina:
Ny afo fandrendrehana dia tsy natao hanimba, fa hanadiovana sy hanatsarana ary hanamasinana. Raha tsy misy ny fitsapana, dia tsy ho tsapantsika loatra ny filantsika an'Andriamanitra sy ny fanampiany; ka hanjary hiavonavona sy hihevitra ho mahavita tena isika. Ao anatin'ny fitsapana no tokony hahitantsika porofo fa miahy antsika Andriamanitra, ary maniry ny hisintona antsika ho eo Aminy. Tsy ny finaritra no mila mpitsabo fa ny marary; ireo izay poritra mafy ka mila tsy haharitra intsony no mila fanampiana.

Ny antso atao amin'ny hiaretantsika ny fizahan-toetra dia manaporofo fa mahita zava-tsarobidy ao amintsika Andriamanitra, ary irinyny hampitombo izany. Tsy hisahirana handrantsana antsika Izy raha tsy mahita na inona na inona izay mety hiderana ny Anarany. (...) Tsy mandefa vato tsy misy vidiny ao anaty afo fandrendrehana i Kristy, fa ireo vato sarobidy no zahany toetra.

Ataon'ny mpandrendrika ao anaty afo ny vy sy ny firaka mba hahafantarany ny toetrany. Avelan'Andriamanitra ho ao anatin'ny afon'ny fahoriana ireo voafidiny mba hahitany ny toetr'izy ireo (...).

Mety mbola betsaka ny asa tokony hotanterahina amin'ny fanorenan-toetrantsika; mety ho vato tsy mbola voapaika ianao ka tsy maintsy hahitsy sy lamaina mialoha ny hametrahana anao amin'ny toeranao ao amin'ny tempolin 'Andriamanitra. ( ...) Tsy misy olombelona mahavita izany asa izany, fa Andriamanitra irery ihany. Ary aoka ianao hahazo antoka fa tsy hanao fipaihana tsy mitondra soa izy, fa ny fipaihana tsirairay ataony dia amim-pitiavana, hiantoka ny fahasambaranao mandrakizay. Fantany ny kilemanao, ary miasa Izy mba hamerina amin'ny laoniny fa tsy hanimba.

Rehefa misy fizahan-toetra toa tsy hay hazavaina, dia tsy tokony havelantsika ho simba ny fiadanan-tsika. Na toy ny ahoana aza ny tsy rariny atao amintsika, aoka tsy hirehitra ny fahatezerana. Manimba ny tenantsika ny fiheverana hamaly faty, sady manimba ny fitokiantsika amin'Andriamanitra izany no mampalahelo ny Fanahy Masina. (...). — ST, 18 Aogôsitra 1909. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal