RANO MANGIDY
Ao amin'ny fitantarana ara-Baiboly dia samy manana ny anjara asany, na tsara na ratsy, ny olona tsirairay, ary ilaintsika ny mandinika tsara ny fizotry ny tantara sy ny tontolon-keviny, ny toerana, ny fotoana, ary ny olon-dratsy ao. Kanefa, matetika ny teboka manan-danja indrindra ao amin'ny tantara iray dia ny vahaolana sy ny lesona raisina avy aminy. Toy izany koa ny amin'ireo tantara ao amin'ny Baiboly.
Araka ny asehon'ny fandehan'ny tantara dia Andriamanitra no Mpamaha ny olana sy Mpampihavana. Sarotra anefa ny asany noho ny tsy finoan'ny olona. Tojo fahasarotana lehibe ny Hebreo, eny loza aza, noho ny fimonomononany sy ny tsy fankatoavany. Nahatonga zava-tsarotra maro ho an'ny tenany izy ireo noho ny tsy finoany sy ny tsy fibebahany.
Vakio ny Eks. 15:22-27. Taorian'ny niampitana ny Ranomasina Mena, inona ny tontolon-kevitra nisehoan'ny fahagagana voalohany nataon' Andriamanitra?
Nifandray tamin'ny tsy fahampian'ny rano ny fizahan-toetra voalohany ny finoan'ny Isiraely, izay tsy mahagaga raha jerena ny tontolo karankaina sy mafana tany an'efitra nisy azy ireo. Nahita rano ihany ny vahoaka rehefa avy nanao dia an-tongotra hateloana, nefa tsy azo nosotroina izany. Ny Mara dia midika hoe "mangidy", ary satria nangidy ilay rano, dia rava vetivety foana ny finoan'ny Isiraely Ilay Tompo mpikarakara azy. Na izany aza dia nangoraka azy ireo Andriamanitra, ary ny fahagagana voalohany dia natao tamin'ny alalan'ny tapa-kazo. Mazava loatra, tsy ny hazo fa ny Tompo no nanova ny rano ho mamy sy azo sotroina. Tsy maintsy nianatra lesona manan-danja ny olona: (1) ny faharetana eo am-piandrasana ny fotoana voatendrin'ny Tompo, ary koa (2) Andriamanitra dia miara-miasa amin'ny olombelona.
Saingy nataon'ny zanak'Isiraely fa efa tokony ho azy rahateo ny zava-tsoa maro, ary vetivety foana dia hadinony ireo fahagagana lehibe nataon'Andriamanitra ho azy, izay vao avy niderany an'Andriamanitra tamin-kafanam-po tokoa, hoe: "Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin'lzay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin'ny fahamasinana, deraina amin'ny fahatahorana, Mpanao fahagagana?"- Eks. 15:11.
Na dia taorian'ny fimonomononan'izy ireo aza anefa, dia nanome toky azy toy izao Andriamanitra: "Isy hisy hataoko aminao ireny areti aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin'ny Egyptiana" - Eks. 15:26. Hiaro azy ireo Izy. Nety ho tanteraka teo amin'ny fiainan'izy ireo tokoa izany teny fikasana izany raha nitoetra ho mahatoky Taminy izy ireo.
Inona avy ireo fitsapana sy ady sarotra natrehinao vokatry ny nataonao ihany? Tsy mampahery anao ve ny fahafantarana fa mbola hitahy anado hatrany Andriamanitra raha manalky miara-miasa Aminy ianao?