Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manana ny anjarany ny malahelo

Daty
Alatsinainy 25 August 2025

 "An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy." — Sal. 24:1.

Mofon’aina:
Ny "andro fahafito amin 'ny volaa fahafito, dia amin'ny andro fanavotana no itsofanareo ny anjomara" amin'ny andro Jôbily eran-tany sy hiantsoana ny zanak'i Jakôba rehetra hiarahaba ny taom-panafahana. Narahabaina tamim-piravoravoana tahaka ny nanomboka tamin'ny andro lehibe fanavotana izay nanaovana ny famelana ny heloka rehetra vitan'ny Isiraely io taona io.

 Tahaka ny tamin'ny taona sabata koa, dia tahaka izany no tsy ahazoana mamafy na mijinja ny saha, amie' io taona io. Heverina ho anjaran'ny malahelo ara-dalàna izay vokatra rehetra hita. Misy sokajin'andevo hebreo - votsorana ho afaka amin'ny andro Jôbily, dia ireo rehetra tsy voavotsotra tamin'ny taona sabata.

Izay mampiavaka indrindra ny taona jôbily dia ny fiverenan'ny tany amin'ny havan'ilay tompom-pananana voalohany. Araka ny nandidian'Andriamanitra, dia efa voatsinjarazara ny tany ka tsy azo atao marina mihitsy ny mifanakalo tany. Tsy azo atao ny mivarotra ny taniny raha tsy hoe angaha ka voatery noho ny fahantrana. Tsy manam-pahefana handa tsy hivarotra ny tany ilay nahazo ny tany, raha tahiny ka ta hanavotra azy ilay tompon-dova na izay havany. Ary ny tany dia miverina avy hatrany amin'ilay tompony voalohany na ny mpandova azy, amin'ny taonan'ny jôbily (...)

 Ny antony dia ny hampahafantatra ny Isiraely etsy andaniny, fa ny tany nomena azy vetivety dia Andriamanitra no tompony ara-dalàna, ary etsy ankilany izy ireo izay mpanofa ny taniny dia natao hihevitra manokana indrindra ny malahelo, izay manana fahefana, mitovy amin'ny faran'izay manan-karena, hitoetra eo amin'ny tany. 

Izany sy izany no fitsipika naorin'Ilay Mpahary be famindrampo mba hoenti-mampihena ny fijaliana, sy mandefa tanamasoandro amin'ny fiainan' ireo niangaran'ny vintana sy ory koa hampamirapiratra ny kintan'ny fanantenana ao am-pony - PM, 537, 538. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal