Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanompoana an'Andriamanitra ny fikarakarana ny tany

Daty
Alarobia 27 August 2025

 "Izany voaloboka izany (...) voavoly tao amin'ny saha tsara teo amoron 'ny rano be izy mba handrantsana sy hamoa ka ho voaloboka tsara indrindra." — Ezek. 17:7,8.

Mofon’aina 
Ny rafi-pandaminana mikasika ny ampahafolony dia napetrak' Andriamanitra ho toy ny fandaminana tsara indrindra hanam-piana ny olona amin'ny fanatanterahana ny foto-kevitry ny lalàna. Raha ankatoavina ny lalàna, dia hampitokiana ny olona ny tanimboaloboka iray manontolo (...).

Natao hiara-miasa amin' Andriamanitra ny olombelona amin'ny famerenana (...) ny tany marary ho amin'ny fahasalamana indray, mba ho fiderana sy ho voninahitry ny Anarany izany. Koa satria hamokatra ny harenany ny taniny, raha tantanina amin'ny fahaiza-manao sy fahitsiana, dia haneho ny toetran'Andriamanitra ny fon'izy ireo raha Andriamanitra no mifehy izany. (...)

Ao amin'ireo lalàna nomen' Andriamanitra mikasika ny fikara-karana ny tany, dia nanome fahafahana ny olona Izy handresy ny fitiavan-tenan'izy ireo ka hanana ny toe-tsain'ny lanitra. Ho tahaka ny Edena ho azy ny tany Kanana raha mankatà ny tenin' Andriamanitra izy (...). Tanimboaloboky ny Tompo ny tany, ary tokony hotandremana araka ny planiny.

Ireo izay miasa ny tany dia tokony hahatakatra fa manao asa fanompoana an'Andriamanitra. Tahaka ireo lehilahy izay notendrena hanao asa fisoronana sy ny asa mifandraika amin'ny tabernakely izy ireo eo amin'izany toerany izany. (...) — SDABC, b. 1, t. 1112.

 Noho ny tsy fankatoavany an' Andriamanitra dia verin'i Adama sy i Eva i Edena, ary noho ny fahotana dia voaozona ny tany manontolo. Nefa raha manaraka ny fitsipika nomen'Andriamanitra ny vahoakany, dia ho tafaverina ho lonaka sy kanto ny taniny. Andriamanitra mihitsy no manome azy torolalana momba ny fikarakarana ny taniny, ary tokony hiara-miasa Aminy izy eo amin'ny fanorenana azy io. Amin'izay dia ny taniny manontolo eo ambanin'ny fanaraha-mason'Andriamanitra no ho tonga lesona azo tsapain-tanana ara-panahy ho an'ny firenena rehetra. Ny fankatoavana ny lalàna nataony teo amin'ny zavaboary dia nahatonga ny tany hanome ny hareny, dia toy izany koa fa ny fankatoavana ny lalàna ara-pitondrantena dia hahatonga ny fon' ny vahoaka hampiseho ireo lafin'ny toetra amam-panahin ' Andriamanitra. (...). - HF, tt. 293, 294. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal