Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Loharanom-pahalalana sy fifaliana tsy mety ritra.

Daty
Alakamisy 28 August 2025

 "Taiza ary hianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao. Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?" — Jôba 38:4,5.

Mofon’aina:
Natao hikarakara ilay saha i Adama sy i Eva, "hiasa sy hitandrina azy" - Gen. 2:15. Na dia nanan-karena tamin'ny zavatra rehetra, ary afaka nanome izany ho azy ireo aza Ilay Tompon'izao tontolo izao, dia tsy namela azy hipetra-potsiny. Natolotra azy ireo ny asa mahasoa ho fitahiana azy, hanatanjaka ny vatany, hanitatra ny sainy, ary hampivelatra ny toetrany. 

Ny bokin'ny zavaboary izay manapariaka lesona velona teo anoloan'izy ireo no nanolotra loharano tsy mety ritra ho tari-dalana sy fifaliana. Voasoratra teo amin'ny ravin-kazo tsirairay sy ireo vato eny an-tendrombohitra, ny kintana mamiratra, ary teto amin'ny tany, ny ranomasina sy ny lanitra ny anaran'Andriamanitra. (…) Ny voninahitr 'Andriamanitra eny amin'ny lanitra, ireo tontolo tsy voatanisa izay mita. ndahatra araka ny filaharan'ny fihodinany avy, "ny fihevahevan’ny rahona matevina" - Jôba 37:16, ny zava-miafin'ny hazavana sy ny feo, ny andro sy ny alina, ireo rehetra ireo no nodinihin'ireo mpianatra tao amin'ny sekoly voalohany teto an-tany. 

Nosokafan'Ilay Tompon'izao tontolo izao tsy manam-petra teo anoloan'izy ireo ny lalàna sy ny fizotry ny zavaboary ary ny fitsipika lehiben'ny fahamarinana izay mandrindra ny tontolo ara-panahy. Ao amin'ny "fahazavan'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra" - 2 Kôr. 4:6, no nivelatra ny tanjaky ny sainy sy ny fanahiny, ka nahatsapany ny hasambarana lehibe indrindra teo amin' ny fisiany feno fahamasinana.

 Tsara indrindra sy maha-te ho tia izao rehetra izao, fa tsy ny saha Edena ihany, raha nivoaka avy teo am-pelatanan'ny Mpamorona. Tsy nisy pentim-pahotana, na aloky ny fahafatesana, nanimba ny voary tanteraka. (...)

Ny saha Edena no fanehoana ny fanirian'Andriamanitra ho an'ny tany rehetra, ary fikasany ny hitomboan'ny fianakavian'ny olombelona isa sy hanorenany fonenana sy sekoly toy izay natolony azy ireo. (...) Amin'izany no hanomanana bebe kokoa ny mpianatra ho mendrika sy hitaratra amin'ny fahafenoana kokoa ny fahazavan'ny fahalalana ny voninahiny, mandritra ny mandrakizay. - Fk, tt. 16, 17.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal