Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Loharanom-pahalalana sy fifaliana tsy mety ritra.

Daty
Alakamisy 28 August 2025

 "Taiza ary hianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao. Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?" — Jôba 38:4,5.

Mofon’aina:
Natao hikarakara ilay saha i Adama sy i Eva, "hiasa sy hitandrina azy" - Gen. 2:15. Na dia nanan-karena tamin'ny zavatra rehetra, ary afaka nanome izany ho azy ireo aza Ilay Tompon'izao tontolo izao, dia tsy namela azy hipetra-potsiny. Natolotra azy ireo ny asa mahasoa ho fitahiana azy, hanatanjaka ny vatany, hanitatra ny sainy, ary hampivelatra ny toetrany. 

Ny bokin'ny zavaboary izay manapariaka lesona velona teo anoloan'izy ireo no nanolotra loharano tsy mety ritra ho tari-dalana sy fifaliana. Voasoratra teo amin'ny ravin-kazo tsirairay sy ireo vato eny an-tendrombohitra, ny kintana mamiratra, ary teto amin'ny tany, ny ranomasina sy ny lanitra ny anaran'Andriamanitra. (…) Ny voninahitr 'Andriamanitra eny amin'ny lanitra, ireo tontolo tsy voatanisa izay mita. ndahatra araka ny filaharan'ny fihodinany avy, "ny fihevahevan’ny rahona matevina" - Jôba 37:16, ny zava-miafin'ny hazavana sy ny feo, ny andro sy ny alina, ireo rehetra ireo no nodinihin'ireo mpianatra tao amin'ny sekoly voalohany teto an-tany. 

Nosokafan'Ilay Tompon'izao tontolo izao tsy manam-petra teo anoloan'izy ireo ny lalàna sy ny fizotry ny zavaboary ary ny fitsipika lehiben'ny fahamarinana izay mandrindra ny tontolo ara-panahy. Ao amin'ny "fahazavan'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra" - 2 Kôr. 4:6, no nivelatra ny tanjaky ny sainy sy ny fanahiny, ka nahatsapany ny hasambarana lehibe indrindra teo amin' ny fisiany feno fahamasinana.

 Tsara indrindra sy maha-te ho tia izao rehetra izao, fa tsy ny saha Edena ihany, raha nivoaka avy teo am-pelatanan'ny Mpamorona. Tsy nisy pentim-pahotana, na aloky ny fahafatesana, nanimba ny voary tanteraka. (...)

Ny saha Edena no fanehoana ny fanirian'Andriamanitra ho an'ny tany rehetra, ary fikasany ny hitomboan'ny fianakavian'ny olombelona isa sy hanorenany fonenana sy sekoly toy izay natolony azy ireo. (...) Amin'izany no hanomanana bebe kokoa ny mpianatra ho mendrika sy hitaratra amin'ny fahafenoana kokoa ny fahazavan'ny fahalalana ny voninahiny, mandritra ny mandrakizay. - Fk, tt. 16, 17.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal