Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 29 August 2025

FIANARANA FANAMPINY

Vakio "Ny namakiana ny lalàna tao Sinay", PM, ed. 1985, tt. 296-301.

Satria mbola eo amin'ny faritanin'ny fahavalo no misy antsika, dia tsy mahagaga raha maratra isika eo amin'ny fiainana, vokatry ny hafetseny sy ny famitahany. Iza amintsika tokoa moa no tsy efa nahatsapa ahatsapa fanaintainana sy sy fahoriana vokatry ny fahotana sy ny maha-eto amin'ity tontolo lavo ity antsika? Indrisy fa anisan'ny fiainantsika izany; kanefa omen'Andriamanitra hery hiatrehana izany isika.

"Handefa fanampiana amin'ny fotoana ilantsika izany indrindra Ilay Mpamonjy sarobidy. Ny dian-tongony no efa nanamasina ny lalana mankany an-danitra. Ny tsilo tsirairay nandratra ny tongotsika dia efa nandratra ny azy koa. Ny hazo fijaliana rehetra asaina iantsorohantsika dia efa nentiny talohantsika. Avelan'ny Tompo hisy ny ady mba hanomana ny fanahintsika ho amin'ny fiadanana. Fizahan-toetra mahamay ho an'ny vahoakan'Andriamanitra ny andro fahoriana; nefa io no fotoana tokony hiandrandran'ny tena mpino tsirairay, ka hahitany amin'ny alalan'ny finoana ny avan'ny teny fikasana manodidina azy." - HM, ed. 1983, t. 659.

AFANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Nandritra ny taonjato maro dia sarotra tamin'ny olona ny nahazo an-tsaina fa noroahin'ny Tompo hiala tamin'ny taniny ireo firenena mpanompo sampy ireo, ary mazána aza naringany tanteraka. Mahavaka ny saina tokoa izany. Kanefa fantatsika fa ny fitiavan'Andriamanitra dia tsy maintsy maneho ny rariny koa; ahoana àry no hanampian'izany antsika hatoky fa na dia tamin'ireny tranga ireny aza, dia ny fitiavany fa tsy ny fahamarinany fotsiny no naseho?

2. Saintsaino ny hoe: taorian'ny tenin'i Jesôsy rehetra momba ny tokony hitiavantsika ny hafa, na dia ny fahavalontsika sy izay mankahala antsika aza, dia hoy Izy amintsika: "Koa amin'izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra" - Mat. 5:48. Nahoana i Jesôsy no nametraka io didy io taorian'ireo didy hafa notanisainy teo aloha? Inona no lazainy amintsika eto momba ny hevitry ny hoe "tanteraka", kanefa tsy izay ihany fa ny hoe koa: "tanteraka (...) toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra"?

3. Tsara sady masina no fahitan'i Paoly apostoly ny lalàn'Andriamanitra sy ny asany, nefa notoheriny ny fampiasana tafahoatra ny lalana. Inona no tiany ambara amin'ny hoe: "Fa tsy mba ambanin'ny lalàna hianareo, fa ambanin'ny fahasoavana" - Rôm. 6:14? Amin'ny fomba ahoana avy no mety hitandremantsika ny lalàna amin'ny fomba diso?

4. Inona no maha-samy hafa ny rariny sy ny valifaty? Hevitra roa samy hafa tanteraka ve izy ireo sa fanehoana samy hafa hevitra iray ihany? Ahoana no ahafantarantsika raha fitiavana ny rariny tokoa no ao anatintsika fa tsy faniriana hamaly faty?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal