Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Mahita an’Andriamanitra.

Daty
Alatsinainy 01 September 2025

MAHITA AN'ANDRIAMANITRA

Vakio ny Eks. 24:9-18. Inona ny fanandramana mahagaga nomena hiainan'ny zanak’Isiraely teto?

Niakatra tany an-tendrombohitra Sinay indray i Mosesy taorian'ny fanamafisana ny fanekena. Tsy nandeha irery izy fony vao niakatra tany an-tendrombohitra fa niaraka tamin'ireo mpitarika isiraelita niisa 73. Fanandramana manan-danja indrindra izany ho an'ireo mpitarika ireo: nahita an'Andriamanitra izy ireo (théophanie), ary indroa ny lahatsoratra no nanasongadina izany toe-javatra mahatalanjona izany. Fotoana iray nanamarihan'ireo mpitarika ireo ny fanekena nifanaovany tamin'Andriamanitra koa izany, tamin'ny alalan'ny fiarahan'izy ireo misakafo. Fanasana lehibe izany, ary ilay Andriamanitr’Isiraely no Tompon'ny fanasana. Nomen'Andriamanitra voninahitra lehibe tokoa ireo mpitarika ireo.

Fanandramana manan-danja ary voninahitra sy tombontsoa lehibe tokoa ny fiaraha-misakafo tany amin'ny faritra Moyen-Orient tamin'ny andron'ny Baiboly (eny hatramin'izao andro izao aza). Nitondra famelan-keloka izany ary nanorina fisakaizana mafy orina. Nidika izany fa mifanohana ireo olona miara-mihinana ary mifanampy ao anatin'ny fotoan-tsarotra sy ny olana. Rehefa niara-nihinana izy ireo, dia nifampanantena, na dia tsy tamin'ny alalan'ny teny aza, fa raha misy manjo ny ankilany dia adidin'ny andaniny ny hanotrona sy hanampy azy. Tombontsoa tsy natao hositrahin'ny rehetra ny mahazo fanasana ho amina fiaraha-misakafo tamin'izany andro izany.

Eo anatrehan'izany, dia zava-manafintohina ratsy indrindra ny fandavana ny fanasana hisakafo. Manampy antsika izany hahatakatra ireo tantara tao amin'ny Testamenta Vaovao izay nanakianana mafy an'i Jesôsy noho ny fiarahany nihinana tamin'ny mpanota (Lio. 5:30). Rehefa mankalaza ny fandraisana ny Fanasan'ny Tompo ny mpino, dia manorina izany fifandraisana ety izany amin'ireo mpino hafa izay mpanota tahaka azy. Mandritra izany fiaraha-misakafo izany no ankalazantsika ny famelan-keloka sy ny famonjena izay omena antsika ao amin'i Jesôsy (jereo ny Mat. 26:26-30; Mar. 14:22-25; 1 Kôr. 11:23-29).

Mampalahelo fa latsaka tao anatin'ny fahotana ny sasany tamin'ireo lehilahy niara-niakatra tamin'i Mosesy tany an-tendrombohitra ka namoy ny ainy noho izany (jereo ny Lev. 10:1, 2, 9). Na dia nanana fanandramana lalina tamin'ny fiarahana tamin'Andriamanitra aza izy ireo tany, dia tsy voaovan'izany fanandramana izany. Lesona lehibe manao ahoana izany, fa ny fananana ny fahamarinana sy ny tombontsoa masina samihafa dia tsy midika mandrakariva ho fiovam-po. Raha ny fanandramana niainan'ireo lehilahy ireo, dia izy ireo indrindra no tsy tokony hanao zavatra mahonena toy izay nataony.

Saino bebe kokoa ny tantaran'ireo lehilahy, zanak'i Arona, izay nomena tombontsoa manokana ireo. Inona ny fampitandremana omen'izany antsika, amin'ny maha-Advantista antsika, Izay manana tombontsoa lehibe noho ny fahazavana nankinina tamintsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal