Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny sakafo mahasoa ny saina.

Daty
Alahady 05 October 2025

" Ary Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin'ny anjara-hanina avy tamin’ny hanin’ny mpanjaka, na tamin’ny divay izay fisotrony; ka dia nangataka tamin’ny lehiben’ny tandapa izy mba havelany tsy handoto ny tenany." Dan. 1:8.

Mofon’aina:

Ny sain’ny olombelona dia mila mivelatra sy mitombo amin’ny fahatanjahana sy faharanitana ary fahafaha-miasa. Tsy maintsy ampanaovina asa mafy izy, raha tsy izany dia hihaosa sy tsy hahavita na inona na inona. Ny tanjaky ny atidoha no ahafahana mieritreritra lalina; tsy maintsy itarina ny saina amin’ny famahana olana sarotra sy hifehezana izany, raha tsy izany dia mihena ny herin’ny saina sy ny fahafahana mieritreritra. Ny saina dia tokony hamorona, hiasa sy hikaroka mba hitomboan’ny tanjany sy ny heriny; ary raha tsy kolokoloina ho salama ny vatana amin’ny alalan’ny sakafo ampy sy be otrikaina, dia tsy mahazo ny anjara sakafo ahafahany miasa ny atidoha.

Takatr’i Daniela tsara izany ka nisafidy izy ny hampihatra fomba fisakafo tsotra sy mahasalama, ary nolaviny ny hanim-py teo an-databatry ny mpanjaka. Ny ankamaroan’ireo tsindrin-tsakafo izay mazàna mitaky fotoana betsaka ny fikarakarana azy, dia manimba ny fahasalamana. Ny bolongan-tsakafo mila tsakoina dia tsara lavitra noho ny sakafo malemy sy mitsiranoka. Hamafisiko ny maha- zava-dehibe izany (...)

Ny saina dia tokony hazonina hifoha hatrany amin’ny alalan’ny asa vaovao izay mitaky ezaka sy fifantohana. Ahoana no hanatanterahana izany? Tsy maintsy diovin’ny herin’ny Fanahy Masina ny eritreritra ary tsy maintsy esoriny amin’ny fanahy ny fahalotoana ara-moraly. Ny fahazaran-dratsy dia tsy mampietry ny fanahy fotsiny ihany, fa manimba ny saina koa. (...).

Rehefa manokana ny sainy sy ny tenany ary ny fanahiny ho an’Andriamanitra ny mpampianatra sy ny mpianatra, ary manadio ny eritreriny amin’ny alalan’ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra, dia handray tsy tapaka ny fahatanjahana vaovao ara-batana sy ara-tsaina izy ireo. (...)

Ilaina ny fahazotoana mianatra, ilaina koa ny fahazotoana miasa mafy (...) Ny asa ara-batana miaraka amin’ny fampifantohana ny saina amin’izay zavatra mahasoa dia fitsipika tokony arahina eo amin’ny fomba fiainana, ary mihamamy hatrany izany vokatry ny fieritreretana hoe ny fanaovana izany dia manomana sy manabe ny saina sy ny vatana mba hahatontosa ny asa izay ampanaovin’Andriamanitra antsika amin’ny sehatra samihafa. (...) – FCE, tt. 226-229.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (51)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal