Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mandrosoa amim-pinoana

Daty
Alatsinainy 10 November 2025

 "Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy; ary izay mitandrina ny làlany no hanehoako ny famonjen 'Andriamanitra." Sal. 50:23.

Mofon’aina:
Andao hianarantsika dieny izao ny hiran'ny anjely mba hahafahantsika miara-mihira aminy rehefa tonga anisan'ny antoko be voninahitra aminy isika. Andao isika hiara-mamerina amin'ny mpanao salamo hoe: "Hidera an 'i Jehovah aho, raha mbola miaina koa; eny, hankalaza an Andriamanitra aho, raha mbola velona koa." - Sal. 146:2. "Mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy." - Sal. 66:2. 

Noho ny fahendreny, dia nentin' Andriamanitra teo anelanelan'ny ranomasina sy ny fefy tendrombohitra ny Isiraely mba hahazoany mampiseho ny heriny, sy manetry ny avonavon'ireo mpampahory ny olony tamin'ny fomba manehoeho. Azony natao ny namonjy azy tamin'ny fomba hafa. Azon'ny olony nohararaotina hizahan-toetra ny finoana ananany sy hanehoana ny fifikirany amin' Andriamanitra io fomba fanao io. Efa sasatra sy raiki-tahotra ny Isiraely, ka raha laviny indray ny handroso, araka izay nandidian'i Mosesy azy, dia ho tsy nanokatra lalana hamonjena azy Andriamanitra. "Finoana no nitana ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina" – Heb. 11:29. Nampiseho ny fitokisany tamin'ny herin'ny Tenin' Andriamanitra nolazain'i Mosesy izy raha !nandeha niroso hatreny amoron-drano. Nosarahin' Ilay Maherin'i Isiraely roa hahazoany mandeha ny ranomasina rehefa vitany ny anjara nankinina taminy.

Misy fampaherezana lehibe ho an'ny mpino hatrizay eto. Niharan-doza matetika ny fiainany ary toa sarotra tontosaina ny andraikitra. Manangana fahalevonana tsy azo ihodivirana eo anoloany sy fanandevozana na fahafatesana avy aoriana ny fomba fisainany. Mazava anefa ny feon'Andriamanitra miteny aminy hoe: "Mandrosoa!" Antsika ny mankatà ny teny nomena. Tsy mampaninona na dia tsy mahita ny any ankoatra ny haizina aza ny masontsika ary na mitsoboka ny rano mamanala aza ny tongotsika. (...) Tsy ho tonga mpankatô na oviana na oviana ny olona izay mangataka andro hisian'ny tsy fisalasalana intsony na tsy hisian'ny faharesena intsony vao hankatô. Ny fisalasalana mibitsika hoe: "Andraso aloha ho afaka ny fefy misakana dia ho hitanao ny lalana mazava". Fa amin-kerim-po kosa no itenenan'ny finoana izay "manantena ny zavatra rehetra" sy "mino ny zavatra rehetra" hoe: "Mandrosoa!" – PM, tt. 273,274. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal