"Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, (..) Izay mampionona anay amin'ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin 'ny fampiononana izay ampiononan'Andriamanitra anay." - 2 Kôr. 1:3,4.
Mofon’aina:
Raha tsy nisy asa fanompoana betsaka ataon'ny olontsika, dia rrainka zava-dehibe ny ananan'ny tanany eo amin'ny fifandraisana tsara amin' Andriamanitra, mba hahazoan'izy ireo ny fitahiany sy hahatorga azy ireo ho fantsom-pahazavana ho an'ny hafa. Misy zavatra miro ny teny hoe: "asa misionera", mihoatra lavitra noho izay fiheverana azy nahazatra. Misionera avokoa ny mpanara-dia marina rehetra an'i Kristy, ary nisy karazana fomba saika tsy manam-Dahataperana mihitsy ahafahana miasa .
Misy zavatra anankiray izay matetika hamaivanina . sy atao tsirambina anefa dia ny fanaovana ny fivavatana y ny fivoriana ho mahaliana araka izay tokony ho izy. Raha manio ny andraikiny amim-pahatokiant ny rehetra, dia ho tena feno fiadarana sy finoana ary herim-po nkoa zy ireo, ary hanana fanandramana tahaka izany hozaraina rehefa tonga amin'ireny fivoriana ireny, hany ka ho velombelon' ny fijoroany ho vavolombelona nazava sy matanjaka ho an'Andriamanitra ny hafa.
Tsy araka ny tokony ho izy ny fivavahantika y ny fivoriantsika – izay btoana manokana tokony hifanampiana sy hifampaherezan'ny tsirairay. Manana adidy hotanterahina ny tsirairay mba hahatonga ireo fivoriana ireo ho mahaliana sy mahasoa araka izay tratra. Ho tanteraka amin'ny fomba tsara indrindra izany raha manana fanandramana vaovao isan'andro momba ny zava-panahy ny tsirairay, sy tsy misalasala ny hiresaka momba ny fitiavan'Andriamanitra ao amin'ny fi vorian'ny olony masina.
Raha tsy avelanareo hiditra ao am-ponareo ny haizina sy ny tsy finoana, dia tsy ho hita izany mandritra ireo fivorianareo. Aza omena fahafaham-po ny fahavalo amin'ny fijanonana eo amin'ny lafiny maizina amin'ny fanandramanareo, fa matokia an'i Jesosy amin'ny fahafenoany kokoa fa Izy no hanampy anareo hanohitra ny fakam-panahy. Raha nieritreritra sy niresaka bebe kokoa ny momba an'i Jesosy, sy kelikely kokoa momba ny tenantsika isika, dia tokony hahita misimisy kokoa ny fanatrehany amin'ireo fivoriantsika.
Tombontsoantsika ny mino ireo teny fikasana ao amin'ny Tenin'Andriamanitra, sy ny manaiky ireo fitahiana izay tian'i Jesosy arotsaka, mba ho tanteraka ny fifaliantsika. —RH, 20 Jolay 1886.