"Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako Aminao, ka hanandrandra aho." – Sal. 5:3.
Mofon’aina:
Ry mpamaky kristianina, aoka ny tanjona lehibe izay nanery, an' i Paoly handroso hatrany manoloana ny zava-tsarotra no hitarika anao hanokana feno ny tenanao ho amin'ny fanompoana an'Andriamanitra. Izay rehetra azon'ny tananao atao dia ataovy amin'ny herinao rehetra. Aoka ho tahaka izao ny fivavakao isan'andro: "Tompo ô, ampio aho mba hanao ny tsara indrindra. Ampianaro ny fomba fanaovana asa tsaratsara kokoa aho. Ampio aho mba hampihatra eo amin'ny fanompoako ny asa feno fitiavana nataon'ny Mpamonjy.
" Refesina amin'ny fanomezana nankinina taminy ny andraikitry ny mpiasa tsirairay. Ny rehetra no tsy maintsy miasa, saingy ny mpiasa nomena tombontsoa lehibe indrindra, dia fahiratan-tsaina lehibe indrindra amin'ny fahatakarana ny Soratra Masina, no iankinan'ny andraikitra arnbony indrindra. Tokony hahatsiaro tena ho tompon' andraikitra eo anatrehan'Andriamanitra ireo rehetra mandray izany, ka hampiasa ny talentany ho voninahitr'Andriamanitra.
Tsy vokatry ny vintana na ny kisendrasendra na ny lahatra ny fahombiazana eo amin'ny asan'Andriamanitra; vokatry ny fiasan' ny fitarihan' Andriamanitra sy ny valisoan'ny finoana sy ny tmatorana, ary ny fahamendrehana !)/ asa atao amim-paharetana izany. lfampiharana ny fahamarinana no ondra fahombiazana sy hery ara-11hY- (...)
'Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo : nomeny ny Zanani-lahy Tokana, tsy ho very izay rehetra mino Azy; manana fiainana mandrakizay."— Jao 3:16. Io fitiavana io no fahatanterahana Haneho izany amin'ny rovana asa toy izay nataon'i Kristy sirairay izay manana fo mangoraka olombelona lavo. Mampiely varia manerana ny maha-olona tontolo ny tena fivavahana kristianina marina. Mahakasika ny ampahany manan-danja tsirairay izany – ny atidoha, ny fo, ireo tanana ny tongotra – ka manampy antsika hijoro tsy azo hozongozonina amin' izay asain' Andriamanitra hijoroantsika, "andrao ho diso lalana mandringa." (...)
Azontsika atao tokoa ny maneho ny endrik'llay Tompo Andriamanitsika. Azontsika atao ny mankalaza Andriamanitra amin'ny tenantsika ay fanahintsika, izay Azy. Nasehon' i 'sty antsika ny zavatra azontsika terahina am in' ny alalan' ny fiaraha-tsa Aminy. Hoy Izy: "Tomoera amiko ary Izaho aminareo." - RH, 4 rily 1912.