"Ny famindrampon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany. Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao. "– Fit. 3:22, 23.
Mofon’aina:
Aoka ho mpamindra fo hianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo. "–L o. 6:36. Omen'ny Tompo voninahitra amin'ny alalan'ny fandraisana azy ho mpiara-miombona antoka Aminy ny olombelona irany. Feno fahasoavana sy famindrampo ary fahamarinana ny fon'i Kristy. Ory noho ny fahoriana rehetra manjo ny vahoakany Izy. Tokony hangoraka ny hafa isika, ka hahita fifaliana amin'ny fanatonana amin'ny fahalianana feno hatsaram-panahy mba hamehy ny ferin'ireo izay nohazain'ny tanana tsy mifaditrovan' ilay mpanimba ka navelany torantorana. Tokony ho vonona ny hanasitrana ny ritra nataon'ny fahotana isika.
(...) Antsika Andriamanitra ao amin' i Kristy, ary tsy mety ritra ny haben'ny fitiavany sy ny famindrampony. lriny ny hahazoan'ny rehetra misitraka ny zavatra rehetra nataony ho an' izay tia Azy; asainy isika rehetra mba hiombona-boninahitra Aminy. Ny fahasambaran'ny lanitra dia nomena an'izay rehetra tia an'Andriamanitra (...) sy tia ny rnpiara-belona aminy tahaka ny tenany.
Tsy ho andevon'ny fahotana intsony ny lehilahy sy ny vehivavy raha toa izy manalavitra ny fitaomana manintona nefa feno fitak'i Satana, ka mibanjina maharitra an'i Jesosy mba hahita sy hahatakatra ny Fitiavany. Hisy fahazarana vaovao hiforona, ka handamoka ireo fironana mahery vaika ho amin'ny ratsy. Mpandresy ny Mpitarika antsika, ary mitarika antsika ho amin'ny fandresena azo antoka Izy.
Ny Solovavantsika, i Jesosy, dia mitalaho eo anoloan'ny seza fiandrianan'ny Rainy ho antsika, ary miangavy ny mpanota koa Izy, ka manao hoe: "Mialà, fa nahoana moa no te-ho faty hianareo?" Tsy nataon ' Andriamanitra ho azo tanterahina tamin'ny alalan'i Kristy avokoa va ny zava-dehetra mba hanesorana antsika ho afaka amin'ny famitahan'i Satana? (...) Tsy Mpamonjy nitsangana tamin'ny maty va Izy, velona mandrakizay mba hanao fifonana ho antsika? Tsy manohy mandrakariva ny asa fanavotana lehibe nataony amin'ny alalan'ny fiasan'ny Fanahy Masina ao amin'ny fo tsirairay va Izy? Mbola mikendry ny seza fiandrianan'Anciriamanitra hatrany ny tsipikan'ny famindrampo, ka mifaza marimarina fa hanana fiainana mandrakizay ny fanahy tsirairay izay mino an'i Kristy ho Mpamonjy ny tenany manokana. (...) — ST, 19 Septambra 189.5.