Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fiainan'i Kristy: bokin-desona ho antsika

Daty
Zoma 21 November 2025

"Tsara ny hidera an Jehovah sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra o, ary hanambara ny famindramponao nony maraina sy ny fahamarinanao nony alina. "- Sal. 92:1,2.

Mofon’aina:
Ny fivavahana kristianina iainana dia midika ho fiaraha-miasa amin' Andriamanitra isan'andro, fiasana ho an'i Kristy, tsy indraindray fa tsy ankiato. Ny fanaovana tsirambina ny fanehoana fahamarinana iainana eo amin'ny fiainantsika dia fandavana ny finoantsika sy ny herin'Andriamanitra. Mitady. olona nohamas in ina Andriamanitra, olona voatokana ho amin'ny fanompoana Azy, olona izay hihaino sy hanaiky ny fanasana hoe: "Ento ny ziogako, ka mianara amiko".

Tamim-pahamatorana manao ahoana re no nanatanterahan'i Kristy ny asa famonjena antsika e! Fanoloran-tena manao ahoana no nasehon'ny fiainany rehefa niezaka Izy ny hanome tombambidy ny olombelona lavo, tamin'ny fanolorany ho an'ny mpanota mina sy mibebaka ny fahamendrehan'ny fahamarinany tsy misy pentina! Niasa tsy nety sasatra Izy. (...) Teny rehetra teny no nitoriany ny filazantsara sy nanasitranany ny marary. Nomeny avokoa izay Azy rehetra, mba hahafahany manatantetaka ny drafi-panavotana.

 Tsy voatery hanao io sorona lehibe io i Kristy. Nianiana tamin'ny nahim-pony anefa Izy fa hizaka ny famaizana tokony ho an'ny mpandika ny lalany. 

Ny fitiavany irery ihany no nanery Azy, ary tsy nimonomonona Izy raha niaritra ny hirifiry tsirairay sy nandray ny fanalam-baraka tsirairay izay ampahany amin'ny drafi-pamonjena. (...)

 Manoloana ny fiainan'i Kristy feno fisasarana sy fanompoana, moa ye ireo mitonona ho Kristianina hisalasala (...) ny hitondra ny hazo fijaliana ka hanaraka Azy? Nanetry tena tany amin'ny lalina ambany indrindra Izy, mba hasandratra any amin'ny fara tampon'ny fahadiovana sy ny fahamasinana ary ny fahatanterahana isika. Tonga mahantra lzy, mba hahafahany mandrotsaka ao amin'ny fanahintsika trotraky ny fahantrana ny fahafenoan'ny hareny. Niaritra ny hazo fijalian'ny fahafaham-baraka Izy mba hahafahany manolotra fiadanana sy fitsaharana ary fifaliana ho antsika (...)

Tsy tokony hankasitraka ny tom bontsoa amin'ny fiasana ho Azy ye isika, ka ho dodona haneho fandavan-tena sy fanoforan-tena ho Azy? Tsy tokony haverintsika amin'Andriamanitra ye izay rehetra navotany, ny fitiavana izay nodioviny, ary ny tena izay novidiny, mba ho voahazona ao amin'ny fanamasinana sy ny fahamasinana? — RH, 4 Avrily 1912.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal