Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miomana ho amin'ny ho avy

Daty
Sabotsy 22 November 2025

 "Ary ho halan'ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena." – Mar. 13:13.

Mofon’aina:
Tsy tokony hanomana lahateny matipaika haseho rehefa   tonga amin'ny fitsarana ny mpanompon'i Kristy. Tokony hatao isan'andro isan'andro ny fiomanany amin'ny fanangonana ho rakitra ho an' ny tenany ireo fahamarinanasarobidy ao amin'ny tenin'Andriamanitra, sy amin'ny alalan'ny fivavahana izay mampahatanjaka ny finoany. Rehefa nentina teo amin'ny fitsarana izy ireo dia ny Fanahy Masina no hampahatsiaro ny fahamarinana izay ilaina indrindra.

Ny fiezahana atao isan'andro hahalalana an'Andriamanitra sy i Jesosy Kristy izay nirahiny no hitondra hery sy fahombiazana ho an'ny fanahy. Ny fahalalana azo tamin'ny fandinihana feno fahazotoana ny Soratra Masina, no hamerina ao amin'ny fitadidiany izay teny tokony hataony amin'ny fotoana mety. Fa raha misy manao an-tsirambina ny fifankazarany amin'ny tenin'i Kristy, na tsy mbola nanandrana mihitsy ny herin'ny fahasoavany eo amin'ny fitsapana, dia tsy afaka hanantena fa hampahatsiaro ny teny tokony hataony ny Fanahy Masina. Tokony hanompo an'Andriamanitra isan'andro amim-pitiavana tsy mizarazara izy, ary hatoky Azy rehefa tonga ny fotoan-tsarotra.

Hangidy indrindra ny fandrafiana ny filazantsara hany ka na dia ,ny fatorana mamy indrindra eo amin'ny ara-nofo aza dia hatao tsinontsinona. Ny ao amin'ny ankohonan'ny tenany ihany no hamadika ny mpianatra ka hitarika azy ho amin'ny fahafatesana. (...) Nibaiko azy Izy anefa tsy hitonon-tena ho amin'ny fanenjehana tsy ilaina. Matetika aza Izy no nandao ny raha niasany iray ka nankany amin'ny toerana hafa mba handosirany ireo izay mitady ny ainy. Rehefa notsipahina Izy tany Nazareta, ka nitady hamono Azy ny iray tanana Aminy, dia nidina nankany Kapemaomy Izy ary talanjona ny amin'ny fampianarany ny olona tao: "satria nisy fahefana ny tenany" – Lio. 4:32. Toy izany koa no tsy tokony hahakivy ny mpanompony noho ny fanenjehana, fa hitady ny toerana izay mbola hahazoany miasa ho amin'ny famonjena ny fanahy.

Tsy lehibe noho ny tompony ny mpanompo. Nolazaina fa Belzeboba ny Andrianan'ny lanitra, ary haseho amin'ny fomba diso toy izany koa ny mpianany. Nefa na toy inona na toy inona loza mananontanona, dia tsy maintsy manambara ny foto-kevitra ijoroany ny mpanaraka an'i Kristy (...) IFM, tt. 374,375, np. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal