"Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an 'ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an 'izay mangataka aminy?" – Mat. 7:11.
Mofon’aina:
Isika rehetra dia tsy maintsy manda tena ho an'i Kristy isan'andro. Hoy i Jesosy: "Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy"; "Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy." – Mat. 16:24; Lio. 14:27.
Raha miantso an'Andriamanitra isaky ny indray mandingana isika, ka mangataka fahendrena avy any an-danitra eo am-pandrosoana, ary mikatsaka fahazavana sy fahasoavana mba hanaovantsika amin'ny hafa izay tiantsika hatao amintsika, amin'ny toe-javatra rehetra, dia ho tsapantsika ny maha-zava-dehibe ny hanatanterahana araka ny tokony ho izy ny fitakian'ny lalana masin' Andriamanitra. Amin' izay, dia hanaisotra ny fijerintsika tsy hifantoka amin'ny tenantsika samirery isika fa hibanjina an'i Jesosy, ilay Tompo sy Mpanefa ny finoantsika (...)
Ny Tompo Jesosy no fahombia-zantsika amin'ny zavatra rehetra. Ny Fanahiny no tokony ho hery manetsika antsika; ary rehefa mametraka ny tenantsika eo am-pelatanany isika mba ho tonga fantsona mitondra fahazavana, dia tsy ho ritra na oviana na oviana ny harentsika hoentina manao soa, satria eo am-pelatanantsika ny loharanon-kerin'i Jesosy Kristy. Ho voataona hankeo amin'ny Fahafenoany isika ary handray avy amin'izany fahasoavana tsy manam-petra izany. (...)
(...) Raha mitalaho amin'ny anaran'i Kristy manoloana ny seza fiandrianan'ny fahasoavana isika, dia azo antoka ny terry fikasana manao hoe "lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray dia homeny anareo amin 'ny anarako izany. Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin'ny anarako hianareo; mangataha, dia hahazo hianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo." – Jao. 16:22,23. Rehefa Andriamanitra no itokianao (. ..) dia ho hitanao tokoa izy. "Ary amin'izany dia hiantso hianao, ary Jehovah hamaly; eny, hanandratra ny feonao hianao, ary Izy hanao hoe.. Inty Aho." – Isa. 58:9.— RH, 30 OktObra 1894.