Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miray Aminy mandrakariva

Daty
Alatsinainy 24 November 2025

 "Andriamanitra ô,  Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin'ny tany maina sy mangentana tsy misy rano."- Sal. 63:1

Mofon’aina:
Tsy misy olombelona afaka hanome izay zavatra hahafa-po ny fanahy noana sy mangetaheta. Fa hoy kosa i Jesosy: "Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondona; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko" – Apok. 3:20. "Izaho no mofon 'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony." – Jao. 6:35.

Tahaka ny ilantsika hanina hoenti-manohana ny herin'ny tenantsika, no ilantsika koa an'i Kristy, (...) ka hahazoantsika hery hanaovana ny asan'Andriamanitra.. Toy ny vatan-tena tsy maintsy fahanana lalandava hitehirizana ny aina sy ny tanjaka ao aminy, dia toy izany koa ny fanahy, tokony hiray lalandava amin'i Kristy, hanompo Azy sy hiankina Aminy.

Toy ny mpandeha ana mikatsaka rano any an'efitra, ka nony mahita dia migoka eo manafaka ny hetahetany, dia toy izany koa no tokony ho fanirian'ny Kristianina hahita ilay loharanon'aina madio izay miboiboika avy eo amin'i Kristy. Rehefa mahatsinjo ny fahatantera-han'ny hatsaran-toetry ny Mpamonjy isika, dia haniry ( ...) hohavaozina hadio tahaka Azy. Arakaraka ny itomboan'ny fahalal ants i ka an'Andriamanitra, no hisondrotan'ny marika irintsika hotratrarina amin'ny toetra mendrika sy hihamafisan'ny hetahetan'ny fanahintsika hitovy Aminy. Amin'izay dia misy hery avy any ambony mitsena ny fiezahantsika hanatratra ny toetr'Andriamanitra, ka miloa-bava ny fo mangetaheta manao hoe: "Miantombena amin 'Andriamanitra tokoa hianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko." – Sal. 62:5. 

Raha mahatsiaro ho tsy ampy am-panahy ianao ka noana sy mangetaheta fahamarinana, dia porofo izany fa manamboatra ny fonao i Kristy mba hahazoany manatanteraka ao aminao, amin'ny alalan'ny Fanahy Masina, ireo hatsaran-toetra irinao, izay tsy mety ho tratry ny tenanao samirery na oviana na oviana. (...)

 Ny Tenin'Andriamanitra ary no loharanon'aina. Raha mikatsaka izany rano velona izany ianao, dia hotarihin'ny Fanahy Masina ho tafaray amin'i Kristy. Hisy endrika vaovao ho hitanao amin' ireo terry efa nahazatra anao izay ela izay, ary hisy tara-pahazavana hiseho izay hampibaribary ny hevi-dalin'ny Soratra Masina. (...) — S, tt. 21,22. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal