Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manampia ny hafa

Daty
Talata 25 November 2025

 "Farany, miraisa saina hianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindra fo, manetre tena, tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana."- 1 Pet. 3:8,9.

Mofon’aina:
Ireo izay miasa ho an'i Kristy dia tsy maintsy ho madio am-po, / mahitsy, sy mendri-pitokiana, ary tsy maintsy ho malemy fanahy sy feno fangoraham-po ary mahalala fomba koa. Misy hery mahasarika eo amin'ny fifandraisana sy ny fifampiresahana amin'ireo izay tena manana fahalalam-pomba. Ny teny feno fahalemem-panahy, ny fijery feno fangorahana, ny fitondran-tena feno fahalalam-pornba dia samy tombambidy ambony tsy azo sandaina avokoa. Ny Kristianina tsy mahalala fomba, izay tsy miraharaha ny hafa, dia maneho miharihary fa tsy mikambana amin'i Kristy izy ireo. (...)

 Toy ny fiainana niainan'i Kristy fony Izy tety an-tany ihany no tokony ho fiainan' ireo Kristianina mpanara-dia Azy. lzy no ohatra alaintsika tahaka, tsy amin'ny fahadiovany ihany fa amin'ny faharetany sy ny fahalemem-panahiny, ary ny fahavononany hikarakara sy hihevitra ny hafa. Hentitra sy mafy toy ny vato Izy manoloana ny fahamarinana sy ny andraikitra tokony hotontosaina, nefa kosa tsy niova ny halemem-panahy sy ny fahalalam-pomba nananany. (...) 

Nitondra rivo-piainana madio sy nahafinaritra ny tokantrano ny Fanatrehany, ary ny Fiainany dia toy ny masirasira miasa ao anatin'ny fifangaroan'ny fiaraha-monina. Tamim-pahamendrehana tsy mety sasatra, no nandehanany niaraka tamin'ny (...) karazan'olona samihafa. Nofenoiny teny feno fangoraham-po teny amin' izay nahitany olona efa reraka sy itambesaran' ny enta-mavesatra. (...)

Nitady izay fomba hainelomana ny fanantenana tao amin'ireo izay tena ketraky ny fahakiviana sy efa nilofika tsy nanana fanantenana intsony Izy, ka napetrany teo anoloany ny antoka fa afaka ny ho tonga tsy manan-tsiny sy tsy hanana fanahiana indray izy ireo, ka hanatratra izay toetra tokony haneho ny maha-zanak'Andriamanitra azy indray. (…)

Ny fitiavan'i Kristy no manalefaka ny fo sy manalama ireo marokorokon' ny toetra rehetra. Aoka isika hianatra eo Aminy ny fomba hampiarahana ny atao hoe fahadiovana sy fahitsiana miaraka amin'ny famirapiratan'ny toetra. Ny Kristianina malemy fanahy sy mahalala fomba no fandresen-dahatra matanjaka indrindra afaka hitondra vokatra eo amin'ny fitoriana ny Filazantsara. — RH, 20 Aogositra 1959. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal