Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fitomboana ilaina

Daty
Alarobia 26 November 2025

 "Fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin 'izany ho amin'ny famonjena, raha tahiny nanandrana hianareo fa tsara ny Tompo. "'- I Pet. 2:2,3.

Mofon’aina:
Efa nomanin' Andriamanitra ny fomba hamonjena ny i   fanahy tsirairay avy; nefa rehefa lavintsika ny fanomezam-pahasoavan'ny fiainana mandrakizay, izay nokatsahina ho antsika amin'ny vidiny tsy manam-petra, dia ho tonga ny fotoana izay handavan'Andriamanitra antsika tsy ho eo amin'ny Fanatrehany, na manan-karena isika na mahantra, na ambony na ambany, na nianatra na tsia. Ny fitsipiky ny fahamarinana mandrakizay dia mbola hi fehy manontolo amin'ny andro lehiben'ny fahatezeran'Andriamanitra. 

Tsy handre fiampangana hanohitra antsika avy eo amin'ny toerana nanatanterahantsika ny fahotantsika isika, nefa hampangaina noho ny fanaovana tsirambina ny andraikitra tsara sy ambony nasain'llay Andriamanitra fitiavana notontosaintsika. Hiseho miharihary ireo tsy fahatanterahan-toetrantsika. Dia ho fantatra amin' izay fa ireo rehetra voaheloka dia efa nomena fahazavana sy fahalalana, (...) nefa indro hita ho tsy nahatoky tamin'izay nankinina taminy. Ho hita miharihary fa tsy mba nankasitrahany ny fitokisan'ny lanitra taminy, tsy mba nampiasainy tamin'ny fanompoana feno fitiavana ny hafa ny harenany, ary tsy nanao izay hampivelarana ny finoana sy ny fanoloran-tena tao amin'ireo izay nifanerasera taminy izy. (...) 

Takin' Andriamanitra ny hampivelaran'ny olombelona rehetra ireo harem-pahasoavana natolotry ny lanitra azy, mba hahatonga azy ireo hahomby hatrany hatrany eo amin'ny asan' Andriamanitra. Ireo harena rehetra ireo mantsy dia natao hampitombo ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy ny fahadiovana ary ny ritiavan'i Kristy (…) 

Mampalahelo anefa fa na dia efa nomena aza ireo haren'ny lanitra ireo, dia mbola betsaka amin'ireo mitonona ho mino an' i Jesosy ihany no tsy maneho izany amin'ny fitomboana - izay vavolombelon'ny hery manamasin'ny fahamarinana • eo amin'ny fiainana sy ny toetra. Marina fa amin'ny fotoana voalohany andraisantsika an' i Kristy ao am-pontsika, dia toy ny zaza ara-panahy isika; nefa tsy tokony hijanona ho zaza mandrakariva isika eo amin'ny fanandramana. Natao hitombo amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika isika. (...) Y1, 8 Jona 1893.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal