Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Rehefa mangetaheta ny fahamarinana isika

Daty
Sabotsy 29 November 2025

"Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an 'ony no anirian'ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô. Mangetaheta an 'Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; Rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan 'Andriamanitra?"– Sal. 42:1, 2.

Mofon’aina:
Manana fahamarinana sarobidy hambara amin'ireo izay maniry hahatakatra ny zava-panahy ny Tompo. Ho an'ny rehetra ny fampianarany ary tandrify sy sahaza ho an'ny filan'ny tsirairay. Na dia voatafin'ny fomba fiteny tsotra izay azon'ny ankizy takarina aza ireo Fampianarany, dia lalina kosa ny fahamarinana raketiny ka na ireo manam-pahalalana be indrindra aza dia ho babo ary hiankohoka amin'llay Tompon'ny fahendrena tsy manam-paharoa. Mety hahita zava-mahafa-po ny sainy ao amin'ny fanambarana tsotra ataony ireo izay hendry indrindra, nefa ny tso-piaina indrindra koa dia hahatakatra ny Fahamarinany ka handray ireo Teny fikasany izay hampitony ny hetahetan'ny fanahy.

 Nampianatra ny lehilahy sy ny vehivavy i Jesosy, mba hamohazana ao anatin' izy ireony fanirianatahahatakatra ny momba an' Andriamanitra, ka hibanjina ny fahatanterahan'ny toe-tran'Andriamanitra sy hangataka ny fahamarinan'i Kristy izy. Izany mantsy no hahafahana manaiky azy eo anatrehan' i Jehovah Tompo. 

Mahatsapa fahabangana ao amin'ny fanahinao ye ianao?Moa ye ianao noana sy mangetaheta ny fahamarinana? Porofo mibaribary izany fa niasa tao am-ponao i Kristy ka nametraka izany hetaheta izany tao amin'ny fanahinao, mba hahatonga anao hangataka Azy hanatanteraka ho anao (...) ireo zavatra izay tsy azon'ny tenanao samirery hotanterahina na oviana na oviana. (...) 

Noraketina an-tsoratra ireo fanoharana nataon'i Kristy, ka ny heviny dia ho tsotra sy madio ho an' izay mahatoky sy fatra-pikatsaka ny fahamarinana (...). Ireo izay tsy mikatsaka ny fahamarinana toy ny fitadiavana harena miafina kosa dia mampiharihary fa tsy faniriany lalina ny hahalala ny fahamarinana. Mbola milaza izao amin'ireo mpanara-dia Azy marina i Kristy: "hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin 'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela. Fa izay manana no homena, ka hanana be dia be izy; fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia hesorina aminy."– Mat. 13:11,12. (...) — ST, 7 Novambra 1892.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal