Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ao amin’i Kristy ny hery

Daty
Alahady 25 February 2024

“(...) aoka hifikitra amin'ny heriko kosa izy ka hihavana amiko; eny, aoka hihavana amiko izy.” - Isa. 27:5b.

Tsy hain’ny fahavalo resena na ny malemy indrindra amin’ny mpianatr’i Kristy aza, dia izay mitolona amim-bavaka eo anatrehan’ny Tompo. Misalovana i Kristy ho fialofana sy fiarovana azy amin’ny fanafihan’ilay ratsy. Ity ny teny fikasana: “Fa raha avy toy ny ony ny fahavalo, ny Fanahin’i Jehovah hanangana faneva hisakanana azy.” (Isa. 59:19; jereo ny naoty etsy ambany ao amin’ny Baiboly)

Navela haka fanahy an’i Petera, ilay matoky tena loatra, i Satana, tahaka ny namelana azy haka fanahy an’i Joba koa. Saingy rehefa vitan’i Satana io asa io dia tsy maintsy miala izy. Raha navela hanao araka izay tiany i Satana dia tsy ho nisy fanantenana ny amin’i Petera, ho levona tanteraka ny finoany. Kanefa tsy sahy mandingana ny fetra napetraka mba tsy hihoarany i Satana, na kely aza. Na ny tafik’i Satana iray manontolo aza no mivondrona dia tsy afaka mandavo fanahy iray izay mitoky amim-pahatsorana amin’ny fahendren’ Andriamanitra.

Aro sy tilikambo mafy ho antsika i Kristy, ary tsy manana fahefana amin’ny fanahy izay miara-mandeha amin’ Andriamanitra amin’ny fanetren- tena i Satana. “Aoka hifikitra amin’ny heriko kosa izy ka hihavana amiko; Eny, aoka hihavana amiko izy”, hoy Jehovah. Ao amin’i Kristy no misy ny fanampiana lavorary sy tanteraka ho an’ny fanahy tsirairay alaim-panahy. Voatemitra loza ny lalana, saingy efa vonona hiaro ny lanitra manontolo mba tsy hisy na iza na iza halaim- panahy mihoatra noho izay zakany. Misy ny sasany manana toetra henjana izay mila fehezina mandrakariva. Raha ampitoerina eo ambanin’ny fifehezan’ny Fanahin’Andriamanitra izany toetra izany dia hanjary fitahiana, raha tsy izany kosa dia ho tonga ozona (...). Raha manolo-tena hanao ny asa tsy amim-pitiavan-tena isika, ka tsy mivily na amin’ny foto-kevitra kely indrindra aza, dia ho eo an- tsandrin’Andriamanitra mandrakizay, izay hanohana antsika amin-kery. Raha mino sy miantehitra tanteraka amin’i Jesésy isika, dia tsy handao antsika Izy na inon-kidona na inon-kitranga. — MLT, t. 316.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia
Thu 01 Jan 2026
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.
Fri 02 Jan 2026
Lesona 1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny
Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal