EDENA SY KANANA
Vakio ny Gen. 2:15 sy ny Gen. 3:17-24. Inona avy ny vokatry ny Fahalavoana, raha ny toeram-ponenan'ireo mpivady voalohany no resahina?
Namponina an'i Adama sy i Eva tao anatin'ny tontolo tonga lafatra Andriamanitra tamin'ny Famoronana; tontolo iray feno harena sy fahatsaran-tarehy izany. Tao anatin'ny toeram-ponenana iray maha-te ho tia izay nanome azy ny zavatra nilainy ara-batana rehetra no nihaonan'ireo mpivady voalohany tamin'ilay Mpamorona azy. Ankoatra ny teny niloaka avy teo am-bavan'Andriamanitra, dia ny sahan'i Edena koa no ivon-toerana iray nianaran'i Adama sy i Eva lesona ary nandraisany fahalalana manan-danja mikasika ny toetran Andriamanitra sy ny fiainana nokasainy hiainan'izy ireo. Araka izany. rehefa notapahin'izy ireo ilay fifandraisam-pitokisana tamin'ny Mpamorona azy, dia niova koa ny fifandraisany tamin'ny sahan'i Edena: tsy maintsy niala tao amin'ilay saha izy ireo mba ho fanehoana mivantana izany fifandralsana tapaka izany. Verin'izy ireo ilay faritany izay nomen'Andriamanitra azy. Araka izany, dia tonga tandindona maneho ny fiainana be dia be ny sahan'i Edena, ary ho hitantsika indray izany sary izany ao anatin'ny lohahevitry ny Tany Nampanantenaina.
Ahoana ny fomba fahitan'ireo patriarka ny teny fikasana momba ny tany? (Jereo ny Gen. 13:14,15; Gen. 26:3,24; Gen. 28:13). Araka ny hevitrao, midika inona amin'ny maha-Advantista antsika ny hoe velona amin'ny maha-mpandova ny teny fikasana (Heb. 6:11-15)?
Rehefa tonga tao amin'ny tany izay nasehon'Andriamanitra azy i Abrahama, dia nanjary Tany Nampanantenaina ho azy sy ireo taranany tamin'ny alalan'ny finoana io firenena io. Nandritra ny 400 taona no nitoeran'io tany io ho Tany Nampanantenaina. Tsy ireo patriarka no tena tompon'ny tany ka tsy azony natolotra ho lovan'ireo taranany izany. An'Andriamanitra izany, tahaka ny maha-Azy ny sahan'i Edena. Tahaka an'i Adama sy i Eva izay tsy nanao na inona na inona mba hananany zo honina tao amin'ny saha Edena, ny Isiraely koa dia tsy nanao na inona na inona mba hahatonga azy ireo ho mendrika ny tany Kanana. Fanomezana avy amin'Andriamanitra araka ny nahim-pony ny Tany Nampanantenaina. Tsy nanan-jo hahatonga azy ho tompon-tany ny zanak'Isiraely (Deo. 9:4-6), fa noho ny fahasoavan'Andriamanitra irery ihany no nahazoan'izy ireo izany.
Mpandova ny teny fikasana ireo patriarka mandra-pahatanterak'izany. Isika kosa, amin'ny maha mpanara-dia an'i Kristy antsika, dia efa nandova teny fikasana tsara lavitra (Heb. 8:6) izay ho tanteraka raha toa isika "hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin'ny finoana sy ny faharetana." - Heb. 6:12.