Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.

Daty
Alatsinainy 24 November 2025

NY TANY AMIN'NY MAHA FANOMEZANA AZY

Vakio ny Eks. 3:8; Lev. 20:22; Lev. 25:23; Nom. 13:27: Deo. 4:1,25,26; Deo. 6:3 ary ny Sal. 24:1. Inona ny fifandraisana manokana nisy teo amin’Andriamanitra sy ny Isiraely ary ny Tany Nampanantenaina?

Raha jerena amin'ny fomba tsotra indrindra, dia mamaritra ny maha-izy ny firenena iray ny tany. Sady manondro ny misy ilay firenena izany no mamaritra koa ny asa ataony sy ny fomba fiainany. Tsy nanana fototra niaviana ireo andevo ary tsy nanana ny taniny manokana; olon-kafa no nisitraka ny vokatry ny asany. Nidika ho fahalalahana ny fananana tany. Nisy fifandraisana lehibe tamin'ny fonenan'ireo vahoaka voafidy teo amin'ilay tany ny maha-izy azy ireo.

Nisy fifandraisana manokana teo amin'Andriamanitra sy ny Isiraely ary ny tany. Noraisin'ny Isiraely amin'ny maha-fanomezana avy amin'Andriamanitra azy ny tany fa tsy zo tsy azo foanana tsy akory. An'ireo vahoaka voafidy ny tany raha toa izy ireo ka mitoetra hatrany ao anatin'ny fifandraisam-panekena amin'i Jehovah sy manaja ireo fitsipiky ny fanekena. Raha lazaina amin'ny teny hafa, dia tsy afaka ny hahazo ny tany sy ireo fitahiana ao aminy izy ireo raha tsy noho ny fitahian'Andriamanitra.

Etsy ankilan'izany, dia azo heverina fa fitaovana iray nahafahan'ny Isiraely nahatakatra ny momba an'Andriamanitra bebe kokoa ny tany. Nampahatsiahy azy ireo an'ilay Andriamanitra mahatoky sy mihazona ny teny nomeny ary mendri-pitokisana ny fonenana tao amin'ilay tany. Samy tsy nisy na ny tany na ny Isiraely raha tsy noho ny sitrapon'Andriamanitra izay Loharanon'ny fiainany sy fototra iorenan'ny fisiany. Raha mbola tany Egypta ny Isiraelita, dia ny reniranon'i Neily sy ny rafitra fitarihan-drano tao ary ny asa mafy no nahazoana ny vokatra nilainy mba hivelomana. Tsy tahaka izany kosa tao Kanana. Niantehitra tamin'ny orana izy ireo mba hahavokatra be ny voliny; Andriamanitra irery ihany anefa no afaka mifehy ny toetrandro. Araka izany, dia ny tany no nampahatsiahy ny Isiraely fa niantehitra mandrakariva tamin'Andriamanitra izy ireo.

Na dia nandray ny tany amin'ny maha fanomezana avy amin'i Jehôvah azy aza ny Isiraely, dia Andriamanitra ihany no tena Tompon'izany raha ny marina. Amin'ny maha Tompon'ny tany rehetra Azy (Sal. 24:1), dia zony ny hanolotra izany ho an'ny Isiraely na ny haka izany amin'izy amin' ireo. Raha Andriamanitra no Tompon'ny tany, dia vahiny sy mpivahiny izany ny Isiraelita sy ny olombelona rehetra. Toy izao izany raha lazaina amin'ny fomba fiteny moderina: vahinin'Andriamanitra mandritra ny fotoana maharitra eto amin'ity tany ity isika rehetra.

Raha jerena ny 1 Pet. 2:11 sy ny Heb. 11:9-13, midika inona ho anao manokana ny maha vahiny sy mpivahiny miandry fatratra ilay tanana izay Andriamanitra mihitsy no Tompo-marika sy Mpanao azy?
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal