FIANARANA FANAMPINY:
Vakio ny "Mifarana ny ady" ao amin'ny HM, tt. 699-706 (ed. 1983).
"Ho voavonjy mandrakizay isika rehefa hiditra eo amin'ireo vavahady mankao armin'ilay tanána. Dia hifaly isika satria voavonjy, voavonjy mandrakizay. Mandra-pahatonga izany anefa, dia ilaintsika ny hitandrina fatratra ny toromariky ny apostoly manao hoe: 'Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin'ny fitsaharany aza isika, dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany."- Heb. 4:1. Tsy nitondra ireo zanak'Isiraely tany amin'ny tanimboaloboka sy ny sahan'oliva tao arnin'ilay Tany Nampanantenaina ny fahafantaran'izy ireo ny tany Kanana sy ny fihirany ny hiran'i Kanana ary ny fifaliany teo am-pisaintsainana ny fidirana mankao. Tsy ho azy ireo marimarina tokoa ny tany raha tsy maka izany izy, manaja ireo fepetra, manana finoana velona an'Andriamanitra ary mandray ho an'ny tenany ireo teny fikasan'Andriamanitra." -YI, 17 Febroary 1898.
"Ao amin'ny Baiboly ny lovan'ny voavonjy dia atao hoe: 'taniny' - Heb. 11:14-16. Any Ilay Mpiandry ondrin'ny lanitra no mitarika ny andian'ondry ho eo amin'ny loharanon'ny ranon'aina. Mamoa isam-bolana ny hazon'aina, ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena. Misy renirano mikoriana lalandava, tahaka ny vato kristaly, ary eo amin'ny andaniny roa dia misy hazo manofahofa ny raviny manalokaloka ny lalana namboarina ho an'ny navotan'i Jehôvah . Ao ireo lohasaha midadasika dia misandratra ho havoana mahafinaritra, sy ireo tendrombohitr'Andriamanitra mampisondrotra irony tendrony mijoalajoala. Eo amin'ireo lohasaha mandry fahizay ireo, eny amoron'ireo rano velona no nahita fonenana ny vahoakan'Andriamanitra, izay efa ela no naha-mpivahiny sy mpirenireny azy." - HM, t. 702 (ed. 1983).
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Saintsaino ny amin'ny Tany Nampanantenaina amin'ny maha tandindon'ny fiainana be dia be azy, izay nampanantenain'i Kristy an'ireo mpanara-dia Azy ao amin'ny Jao. 10:10. Ahoana no anehoan'ireo tombontsoan'ny fiainana ao amin'ny tany manan-karena iray ny fitahian'ny famonjena?
2. Inona ny fifandraisana misy eo amin'ny maha-olom-pirenen'ny tany iray sy ny fananana fomba fiaina iray? Ahoana no fiantraikan'ny andaniny amin'ny ankilany? Midika inona izany hoe olom-pirenen'ny fanjakan'Andriamanitra?
3. Amin'ny maha-olombelona antsika, dia mandiso fanantenana antsika mandrakariva ny fampanantenana ataon'ny hafa, ary indraindray koa isika mandika ny fampanantenana ataontsika amin'ny tenantsika. Nahoana anefa no azonao itokiana ny fampanantenana ataon'Andriamanitra?
4. Ahoana no hahafahantsika mandray ny teny fikasana momba ny tany vaovao ho tena zava-misy amin'ny hoavy, eny fa na eo amin'ny fiainantsika ankehitriny koa aza?