Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly

Daty
Alahady 30 November 2025

IREO TANDINDONA AO AMIN'NY BAIBOLY

Diniho ireto andinin-tSoratra Masina manaraka ireto izay miresaka momba ny tandindona: Rôm. 5:14, 1 Kôr. 10:1-13, Heb. 8:5, ary ny Heb. 9:23,24. Inona no hevitr'ireo tandindona ireo?

Mampiasa ny teny grika hoe typos, nadika hoe "tandindona" na antitypos, ao amin'ny hoe "tena fitoerana masina", ireo andinin-tSoratra Masina ireo mba hilazana ny fomba namaritan'ireo mpanoratra ny TV ny fifarndraisana misy eo amin'ny andalan-tsoratra na tranga iray ao amin'ny TT, sy ny heviny tamin'ny androny, na amin'ny andro hoavy.

Ny fandinihantsika ireo tandindona ireo dia manazava ny fomba anondroan'ny olona, na tranga, na rafi-pitantanana iray mialoha an'i Jesosy na zava-misy hafa voarakitra ao amin'ny filazantsara. Manondro ny tena izy ny tandindona, toy ny lasitra na endrika izay azo avy amina endrika tena izy tany am-boalohany. Ny tena izy anefa no mahatanteraka amin'ny fahafenoany kokoa ny tanjona kendren'ny tandindona. Araka izany, ny tandindona ao amin'ny Baiboly dia maneho tenan-javatra izay efa nisy tao an-tsain'Andriamanitra, na azo tsapain-tanana izany na ara-kevitra, ary izany no namolavolana ireo tandindona izay manambara zavatra hitranga amin'ny hoavy.

Zava-dehibe ny mahatakatra fa tsy ny hanasongadinana hevitra iray tsy akory no nahatonga ireo mpanoratra ny TV hanazava ny sasany amin'ireo andalan-tsoratra ao amin'ny TT ho tandindon'ny toe-java-mitranga tamin'ny androny. Ny hevitry ny tandindona iray ao amin'ny TT dia efa voazava hatrany ao amin'ireo asa soratra ara-paminaniana mialoha ny hahatanterahany ao amin'ny TV.

Jereo ny fisehoan'i Davida ao amin'ny TT, avy eo ny fomba anehoana azy ao amin'ny TV, amin'ny maha tandindona azy. Inona ny lesona azontsika ianarana momba ny tandindona sy ny asany avy amin'io ohatra io?

a. Davida (Sal. 22:2, 15-19):

b. Ilay Davida vaovao (Jer. 23:5; Isa. 9:5,6; Isa. 11:1-5):

d. Ilay tena Davida (Jao. 19:24):

Rehefa dinihina ireo andininy ireo dia hitantsika fa ao amin'ny TT ihany no misy ny fanalahidy hamantarana ny hevitr'ireo tandindona ao amin'ny Soratra Masina. Izany hoe notarihin'ny Fanahy Masina hampiasa ireo tandindona ao amin'ny TT ny mpanoratra ny Testamenta Vaovao, izay ny TT no Soratra Masina nananany, mba hanambara ny "fahamarinana izay efa ao aminy" (2 Pet. 1:12), indrindra momba an'i Jesosy sy ny asa fanompoany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal