."Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin 'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: 'Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. - Mar. 8:34.
Mofon’aina:
Manoritsoritra ny atao hoe Kristianina marina ny Tenin'Andriamanitra, izay mifanaraka tsara amin'ny asan'ny Fanahy Masina ao am-po sy eo amin'ny fiainana. Ny zanak'Andriamanitra dia mahalalaavy hatrany ny fananany porofo ao am-pony fa naterak'Andriamanitra izy. Fanandramana lalina sy lehibe ny fanarahana ny Zanak'ondry na aiza na aiza alehany. Ny fandavan-tena sy ny fahafoizan-tena dia ho hita mandrakariva eo amin'ny lalana, mandalo eo amin'ny vavahady ety, izay mankamin'ny saha malalaky ny Tompo ( ...).
Sarobidy ho an'ireo izay mino i Kristy. Ny asan'ny Fanahiny amin'ny ,aina sy ny fon'ny mpino dia mi fanaraka tsara amin'izay voasoratra ao amin'ny reniny. Mifandrindra tanteraka ny c:anahy sy ny Teny. (...)
Ireo izay tsy mahita fitoviana amin'ny filamatra ara-moralin'ny fahamarinana ao am-pony (ny i'enin'Andriamanitra), dia tsy mahay rnanambara ny amin'i Kristy. Tsy mifandrindra amin'ny Fanahin' i Kristy ny fiteniny sy ny fisainany. Sandoka ny fanekem-pinoany. Efa nahita herotra niavosa teo ambony rano ve ianao? Ny fanahy dia tsy maintsy manana ny hery miasa mangina mamelombelon'ny fofon'ain'i Kristy mba ho voaseho eo amin'ny teny rehetra atao fa ao anaty i Kristy Ilay fanantenan'ny voninahitra. (…)
Loza no hahazo izay mikolokolo fisalasalana, izay mihazona ny fijeriny sy ny fisainany ho eo amin'ny tenany ihany. Raha mbola ny tena no banjinina ka atao lohahevitry ny fisainana sy ny resaka rehetra, dia tsy azo antenaina mihitsy ny fitoviana amin'i Kristy. (...) Tsy manana hery mahavonjy .ao amin'ny tenanao ianao. Ny "izaho" dia toy ny sambo loaka izay mitondra ny finoanao; arakaraka ny hitokianao aminy no hahatonga azy ho rendrika. Manatôna ny lakan'aina! Izany no hany famonjena ho anao. I Jesosy no kapitenin' ilay lakan'aina ary tsy mbola nisy very izay mpandeha rehetra eo Aminy. — MR, b. 21, tt. 23,24.