"Dia hofafazako rano madio hianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. Ary homeko fo vaovao hianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo hianareo." — Ezek. 36:25,26.
Mofon’aina:
Maro no milaza fa ilaina ny manana fo vaovao, nefa na izy ireo aza dia tsy mahalala akory ny tena hevitr'ireo teny ireo. Ny tanora matetika no tena tsy mahatakatra io teny hoe "fo vaovao" io. Tsy fantatr'izy ireo ny tena heviny. Mitady fiovana manokana izy eo amin'ny fihetseham-pony ka izany no antsoiny hoe fiovam-po. (...)
Tarihin'i Satana ny olona hihevitra fa rehefa miakatra ny fatran'ny fihetseham-po dia izany no atao hoe niova fo. Tsy miova anefa ny fanandramany. (...) Tsy misy fanehoana voa tsara eo amin'ny fiainany. Mivavaka matetika sy maharitra izy ireo, ary tsy mitsahatra mandray ohatra ny amin'ireo fahatsapana henony tamin'ny fotoana toy izao sy toy izao saingy tsy mbola miaina fiainam-baovao. Voafitaka izy ireo. (...)
Rama miresaka momba ny fo vaovao i Jesosy, dia ny saina sy ny fiainana ary ny maha-olona manontolo no tiany hambara. Ny hoe miova fo dia manaisotra ny fitiavana hiala amin' izao tontolo izao ka mampifantoka izany amin'i Kristy. (...) Inona no famantarana fa voaova ny fo? Ny fiainana voaova. Misy ny fahafatesana amin'ny fitiavan-tena sy ny avonavona isan'andro sy isan'ora.
Misy manao fahadisoana lehibe ka mihevitra fa mahasolo toerana ny tena fanompoana ny fanambarana miezinezina atao. Saingy tsy tena izy ny fivavahana tsy misy fampiharana. Ny tena fiovam-po marina dia mitarika antsika ho mahitsy indrindra eo amin'izay rehetra ataontsika amin'ny hafa, ary mahatonga antsika ho mahatoky eo amin'ny asantsika andavanandro. (...)
Ny filamatra ambony izay ampiharina eo amin'ny asa no hahatonga izany ho azo ekena manontolo eo imason'Andriamanitra. Ny tena fanompoana marina no mampiray ny mpanompon' Andriamanitra ety an-tany amin'ireo mpanompo ambony indrindra any amin'ny lapan'ny lanitra. — YI, 26 Septambra 1901.