Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mibebaha, ary raiso ny fahamarinana

Daty
Zoma 05 December 2025

 "Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dondòny, dia hovohana hianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. "- Lio. 11:9,10.

Mofon’aina:
Tsy maintsy atolotra tanteraka ho an'Andriamanitra ny fo   mba hahafahany manavao sy manamasina antsika, ary manao antsika ho mendrika ny lapany any an-danitra. Tsy tokony hiandry fotoana manokana isika, fa izao anio izao no tokony hanolorantsika tena ho Azy (...). Heverinao ve fa azonao atao ny hiala tsikelikely amin'ny fahotana? Ilaozy indray mandeha izay zavatra voaozona! Ankahalao izay zavatra tsy tian'i Kristy, tiavo kosa izay zavatra tiany. Tsy efa nanomana ny fanadiovana anao amin'ny fahotana ve Izy tamin'ny alalan'ny fahafatesany sy ny fahoriany?

Rehefa manomboka mahatsapa isika fa mpanota ka mianjera eo amin' ilay Vatolampy ary torotoro, dia mamihina antsika ilay Sandry mandrakizay, ary sintonina hanakaiky ny fon'i Jesosy isika. Amin'izay, dia ho babon'ny Toetrany mafia-te ho tia isika ary hamparikoriko antsika ny faharnarinantsika. (...)

Hoy i Jesosy: "Sambatra ny malahelo am-panahy fa azy ny fanjakan 'ny lanitra. "– Mat. 5:3. Feno Fahasoavana ao amin'Andriamanitra ary azontsika atao ny mahazo ny Fanahiny sy ny Heriny amin'ny fatra feno. Aza mivelona amin'ny voa poakatin'ny fanamarinan-tena, fa manatôna an'Andriamanitra; manana ny akanjo tsara indrindra azony atafy anao Izy, ary mitsotra handray anao ny sandriny (...)

Ny tenin' Andriamanitra no manaporofo ny Fisiany. Tsy mita miandry fihetseham-po miavaka ianao vao hino fa mandre anao Andriamanitra. Tsy tokony ho fepetra iankinan'ny finoanao ny fihetsehampo satria miovaova toy ny rahona izany. Mila manana zavatra mafy orina ianao mba hanorenana ny finoanao. Manana hery tsy manam-petra ny Tenin' Andriamanitra; ary efa nilaza Izy hoe: "Mangataha dia omena hianareo". Banjino i Kalvary. Tsy efa nilaza ve i Jesosy fa Izy no Mpisolovava anao? Tsy efa nilaza ve Izy fa raha mangata-javatra amin'ny Anarany ianao dia ho azonao izany?

 Tokony hanatona an'Andriamanitra ianao amin' ny maha-mpanota mibebaka anao, amin'ny anaran'i Jesosy Ilay Mpisolovava avy any an-danitra, mankeo amin' ilay Ray mpamindra fo sy mpamela heloka, sady mina fa hataony izay efa nampanantenainy. (...) — BE, 01 Avrily 1893.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal