Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Zava-baovao ateraky ny fiovam-po

Daty
Alatsinainy 08 December 2025

 "Mba hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondrantenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny flan 'ny fitaka. " - Efes. 4:22.

Mofon’aina:
Miantso anao hibebaka Andriamanitra ankehitriny, ary hafana fo amin'ny asa. Ny fahasambaranao mandrakizay dia voafaritry ny fiainana izay arahinao ankehitriny. Holavinao ve ny fanasan ' ny famindram po natolotra anao ka hisafidy ny lalanao manokana ianao? Hankasitraka fireharehana sy zava-poana ve ianao ka hanary ny fanahinao amin'ny farany? Ny Tenin'Andriamanitra dia milaza mazava amintsika fa vitsy no ho voavonjy, ary maro na dia amin'ireo izay nantsoina aza no ho hita miharihary fa tsy mendrika ny fiainana mandrakizay. Tsy hanana anjara any an-danitra izy ireo, fa handray ny anjara avy amin'i Satana, dia ny fahafatesana faharoa. 

Azon'ny lehilahy sy ny vehivavy ialana izany loza izany raha tiany. Marina fa i Satana no fototra niavian'ny ota; nefa izany tsy manala tsiny na iza na iza noho ny fahotana, satria tsy misy olona azon' i Satana terena hanao ratsy. Alainy fanahy izy ireo mba hanota, ary ataony izay anehoana fa manintona sy mahafinaritra ny fahotana; nefa miankina amin'ny sitrapon'ny olona ihany ny hanota na tsia. (...) 

Tsy dia ankamamian'ny maro ny fiovam-po. Tsy zavatra kely mantsy ny hanova ny fisainana araka ny tany sy tia fahotana ka hamily azy hahatakatra ny fitiavan'i Kristy tsy hay lazaina, (...) mba ho ampoky ny fitiavan'ny lanitra ny fanahy ka ho voasinton'ny zava-miafin'ny lanitra. Rehefa takany izany dia haharikoriko azy sy ho halany ny fiainany taloha. Hankahala ny fahotana izy, ary hamboraka ny fony eo anatrehan'Andriamanitra; handray an'i Kristy ho fiainana sy fifalian'ny fanahy izy. Hanohitra ny fahafinaretany tany aloha izy. Fisainana vaovao (...) no hiainany; ka na ny fahoriany, na ny faniriany, na ny fitiavany dia vaovao avokoa. Ny filan'ny nofo, sy ny filan'ny maso, ary ny rehaky ny fiainana, izay nankasitrahana tany alohan' i Kristy dia miova ankehitriny ka Kristy indray no tsiron'ny fiainany sy satroboninahitry ny fifaliany. (..;) — TFC, b. 2, tt. 293,294. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal