"Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan 'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin 'ny fitiavana no mitoetra ao amin 'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy." - 1 Jao. 4:16.
Mofon’aina:
Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, arytanteraka ato amintsika nyfitiavany"- 1 Jao. 4:12, ary tsy hay tohaina izany fitiavana izany. Rehefa tonga mpiombona amin'ny fomban'Andriamanitra ihany ny lehilahy sy ny vehivavy vao hahatanteraka ny lalan'Andriamanitra. Izay tia an'Andriamanitra amin'ny fony rehetra (...) no hany. afaka manome "voninahitra any amin'ny avo indrindra ho an 'Andriamanitra, ary fiadanana ho ety ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany." Izany no asa nataon'i Kristy, ary rehefa ankamamian'ireo mpanara-dia Azy sy ataon'izy ireo ny Asany, dia vokatra lehibe no ho azo amin'ny "fifaliana napetraka teo anoloany" ao amin'ny famonjena ireo fanahy izay nanolorany ny Ainy. (...)
Miantso izay rehetra mitonona ho mpino Azy Andriamanitra mba ho tonga mpiara-miasa Aminy ka hanolotra ny fahaiza-manao rehetra nomen'Andriamanitra azy sy ny tombontsoa lehibe hahafahany mitaona hankeo amin'i Jesosy Kristy ireo fanahy efa ho very manodidina azy.
Izany no hany ahafahana manantena ny hisian'ny fiovan-toetra izay hitondra fiadanana sy fifaliana ho an'ireo mino, ary hanomana azy ireo ho amin'ny fiarahamonin'ny anjelin'ny lanitra any amin'ny fanjakan'Andriamanitra. (...)
Na iza na iza mpifanolo-bodiri-ndrina aminao, dia tokony hotadiavina sy hiasana izy ireny. (...) Aoka ny fifandraisanao sy ny fiombonanao aminy hahazoany fahalalana bebe kokoa. Ireo voailikilika, ny tanora sy izay manan-kileman-toetra no tena asain'Andriamanitra ampiantsika. "tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka," hoy i Kristy (Lio. 5:32).
Ireo izay vonona hanetry tena mba hianatra dia omena tombambidy lehibe, ka na ny olo-manan-kaja indrindra eto amin'izao tontolo izao aza dia hahatsapa fa voninahitra ho azy ny fiarahana amin'izy ireo amin'ny dia mankany an-danitra. Ary ny anjelin'i Jehovah dia hiara-miasa amin'ny mpiasa tahaka izany. Tokony ho noana sy hangetaheta ny fahamarinana isika, mba hitoeran'i Kristy ao anatintsika toy ny loharano miboiboika ho fiainana mandrakizay. — SIR, tt. 4-6.