FARITRA MAZAVA MAMPISARAKA
Ireo teny nampiasainy tany amin'ny fiandohan'ny boky ihany (Jos. 1:7,8) no nampiasain'i Josoa hilazana fa tsy raharaha ara-tafika no miandry ny Isiraely voalohany indrindra, fa ara-panahy, dia ny fankatoavana ny sitrapon'Andriamanitra voambara ao amin'ny Torah.
Araka ny hevitrao, nahoana no hentitra toy izany i Josoa mikasika ny fifandraisan'ny Isiraely tamin'ireo firenena manodidina azy? (Jos. 23:6-8,12,13).
Ny loza mananontanona ny Isiraely dia tsy avy amin'ny fankahalan'ireo firenena sisa azy, fa ny loza ateraky ny fisakaizany aminy. Mety tsy ho olana ho an'ny Isiraely ny fitaovam-piadian'ireo fahavalony; fa ny foto-pisainan'izy ireo sy ny "soatoaviny" kosa (izay mifanohitra amin'ny soatoavina raha ny marina) no mety hanimba lavitra noho izay mety ho hery ara-tafika rehetra. Nosarihin'i Josoa ho amin'ny tena zava-dehibe ny sain'ireo mpitarika: ny ady ataon'izy ireo dia ara-panahy, hatramin'ny voalonany ka hatramin'ny farany. Noho izany, tsy maintsy mihazona ny maha-izy azy manokana ny Isiraely.
Ny fandrarana tsy hanononan'izy ireo ny anaran'ny andriamanitr'ireo firenen-kafa, ka tsy hianianany amin'ny anarany, na hanompoany azy, na hiankohofany eo anatrehany dia mifandraika amin'ny fanompoan-tsampy. Tany Proche-Orient fahiny, ny anaran'ny andriamanitra dia naneho ny fanatrehany sy ny heriny. Ny fanononana na filazana ny anaran'ireo andriamani-kafa teo amin'ny fomba fiarahabana andavanandro na teo amin'ny raharaha ara-barotra, dia nidika ho fanekena ny fahefany ary nitarika ny Isiraelita hitady ny heriny rehefa tojo zava-manahirana (ampitahao amin'ny Mpits. 2:1-3, 11-13).
Mampidi-doza ny fifanambadiany amin'ireo Kananita sisa satria mitondra ho amin'ny fahaverezan'ny fahadiovana ara-panahin'ny Isiraely izany. Tsy ny hitandroana ny fahadiovana ara-pirazanana na ara-poko no anton'ny fampitandreman'i Josoa, fa ny hialana amin'ny fanompoan-tsampy, izay mety hitarika ho o amin'ny faharavan'ny Isiraely ara-panahy. Ohatra mampalahelo ny amin'ny voka-dratsy ara-panahy aterak'izany fifanambadiana izany ny tantaran'i Solomona (1 Mpanj. 3:1; 1 Mpanj. 11:1-8). Nomena fampitandremana mazava ny Kristianina ao amin'ny TV mba tsy hanambady tsy mpino (2 Kôr. 6:14), na dia tsy mampirisika ny hisarahana amin'ny vady tsy mpino aza i Paoly ho an'ireo efa tafiditra amin'izany; saingy miantso azy ireo kosa izy mba hanana fiainana kristianina marina, miaraka amin'ny fanantenana fa ho babony ho an'ny Tompo ny vadiny (1 Kôr. 7:12-16).
Ny fampitandremana nataon'i Josoa momba ny fikambanana manimba dia mampieritreritra avy hatrany ny amin'ny fifandraisan'ny Kristianina amin’izao tontolo izao". Ahoana no hahaizantsika mandanjalanja tsara eo amin'ny fifandraisantsika amin'ny fiarahamonina manodidina antsika?