Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MANIRY FATRATRA AN’ANDRIAMANITRA ANY ZIONA

Daty
Sabotsy 09 March 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Sal. 84; Ap6k. 21:3; Sal. 122; Sal. 87; Gal. 3:28,29; Mat. 28:18-20; Sal. 46; Sal, 125.

Tsianjery: “Manina sady vonton’alahelo ny kianjan’i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an’Andriamanitra velona.” - Sal. 84:2.

Ny hiran'i Ziona dia fihiram-pifaliana izay midera ny hatsaran-tarehin'i Ziona sy ny fiandrianan’Andriamanitra izay manjaka eo amin’ny tendrombohiny masina, Matetika ireo Salamo ireo no midera ny fahatsaran'ny tranon’i Jehévah sy maneho ny fitiavany ny fitoerana masinazay hita any amin'ny Salamo hafa ihany koa. Maro amin'ireo Salamo ireo no nosoratan’ireo zanak’i Kora, izay nanana fanandramana voalohany ny amin'ny fitahiana ao an-tranon'i Jehovah amin'ny maha-mpihira ao amin'ny tempoly (1Tant. 6:31-38) sy mpiambina ny vavahadin'ny tempoly azy (1 Tant. 9:19).

Inona no mahatonga an’i Ziona ho loharanon’ny fanantenana sy ny fifaliana? | Ziona dia maneho ny fanatrehan’Andriamanitra velona eo amin'ny olony. Tahaka ny maha vahoaka voafidin’Andriamanitra ny Isiraely (Deo. 7:6), no maha-tendrombohitra voafidin’Andriamanitra an'i Ziona (Sal. 78:68; Sal. 87:2). Manjaka ao Ziona Andriamanitra (Sal. 99:1, 2) ary naorina ao koa ny tempoliny (Sal. 87:1). Araka izany, i Ziona dia fitoeran’ny fitahian’Andriamanitra sy fialofana Matetika i Ziona no ampitahaina amin‘i Jerosalema sy ny fitoerana masina, na koa ampiasaina eo amin'ny toeran'ireo aza; i Jerosalema sy ny fitoerana masina izay ivon'ny asam-pamonjen’Andriamanitra ho an’izao tontolo izao tranainy.

Miavosa sy mahatratra ny faran’ny tany ny fitahiana an'i Ziona satria mihoatra ny fefin’ny faritra masina rehetra ny fanatrehan’Andriamanitra sy ny fahasoavany. | Ziona no fifalian'ny tany rehetra (Sal. 48:2), manamafy izany fa an‘Andriamanitra ny tany manontolo.

 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal