Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Eo an-tanan'ny mpanefy tanimanga

Daty
Alakamisy 22 January 2026

 "Fa ankehitriny, Jehovah ô, Rainay Hianao; izahay dia tanimanga, ary Ianao no mpanefy anay, ary asan'ny tànanao izahay rehetra." — lsa. 64:7.

Mofon’aina:
Ao amin'ny Teniny, dia ampitahain'Andriamanitra amin'ny mpanefy tanimanga ny tenany, ary ny olony no tanimanga. Mamolavola sy manefy azy ireo araka ny Endriny no asany. Ny leson'ny fileferana no tokony hianaran'izy ireo. (...) Raha omen-danja ny toromarika avy amin'Andriamanitra, rehefa milefitra amin'ny Sitrapony ny "izaho" dia siny tsara tarehy no hivoaka avy eo an-tanan'ilay Mpanefy. - SDABC, b. 4:1154.

Miankina amin'ny fankatoavana ny Tenin'Andriamanitra ny hatsaran'ny fifandraisana marina amin'i Kristy; hoy lzy: "Enta ny ziogako, ka mianara amiko (...)". Ny mpiasa izay efa miaina io fanandramana io dia manana faniriana lalina ny hahalala amin'ny fahafenoany ilay fitiavana izay mihoatra ny fahalalana rehetra. (...) Ny fianarany isan'andro ao amin'ny sekolin'i Kristy no mampitombo hatrany ny fahaizany manakatra ny hevitr' ireo fahamarinana ambony indrindra izay maharitra mandrakizay. (...)

(...) Mandalo fizahan-toetra izy, satria raha tsy zahan-toetra sy diso fanantenana dia tsy hahalala na oviana na oviana fa kely ihany ny fahendreny sy ny fanandramany.

Raha mitady an'Andriamanitra amim-panetren-tena sy amim-pitokiana izy, dia hiasa hahasoa azy ny fitsapana tsirairay. Mety hahatsapa ho tsy mahomby izy indraindray, nefa izay heveriny ho tsy fahombiazana amin'ny fanatrarana ny toerana tiany hisy ny tenany no mety ho fomba hitantanan'Andriamanitra azy handroso. Mihevitra izy fa tsy nahomby, nefa izany toa tsy fahombiazana izany no midika ho fahalalany ny tenany bebe kokoa sy fitokiana miorina amin'Andriamanitra. (...) Mety manao fahadisoana izy, saingy mandray lesona mba tsy hamerina izany intsony. Miray amin'i Kristy, ilay Tena Voaloboka, izy ka afaka hitondra voa tsara ho voninahitr'Andriamanitra. (...)

Irin’ Andriamanitra  isika  mba ho malemy fanahy sy manetry tena ary manana fo torotoro nefa koa feno fitokiana noho ny fahafan-tarantsika ny Sitrapony. "Fa tsy nomen 'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena (...) Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, araka ny fikasany sy ny fahasoavany ...). " - 2 Tim. 1:7, 9. Ms t. 121, 1902. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (43)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal