Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hery avy amin'ny vavaka.

Daty
Talata 03 March 2026

"Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; aoka isika handohalika eo anatrehan 'i Jehôvah , Mpanao antsika." - Sal. 95:6. 

Mofon’aina:
Efa nanafatrafatra ny mpianany i Kristy fa ilain' izy ireo ny manokana fotoana h ivavahana. Nanomboka sy nanamas ina ny asa tsirairay nataon'i Kristy ny vavaka. (...) Zava-dehibe ny nandaniany alina manontolo nivavahana tany an-tendrombohitra sy tany an'efitra ho fanomanana azy hiatrika ireo fitsapana niandry azy tamin'ireo andro manaraka. Tsapany fa nila famelombelomana sy fanatanjahana ara-panahy sy ara-batana Izy mba hahafahany miatrika ireo fakam-panahin'i Satana. Ary izay miezaka hanaraka ny oha-piainany dia hahatsapa filana toy izany koa.

Nanaiky hisolo antsika sy ho antoka ho antsika i Kristy, ary tsy misy ataony tsinontsinona na iray aza Noho ny fankatoavany dia misy harem-pankatoavana tonga lafatra tsy hits lany azo tovozina. Miakatra any an-danitra toy ny setroka mani-pofona, miaraka amin' ny vavaka asandratry ny vahoakany, ny fahamendrehan'i Kristy sy ny fandavan-tenany ary ny fahafoizan-tenany (...) Manjary hanitra ankasitrahana koa ny vavaka ataontsika (...)

Aoka hotsaroan'ny rehetra fa azo takarina amin'ny saina fotsiny ny zava-miafin'ny fanjakan'Andriamanitra. Ny finoana mahatoky sy ny vavaka marina dia mahery tokoa! Tsinontsinona ny vavak'ilay Fariseo, fa ny an'ilay mpamory hetra kosa dia re tany an-danitra ambony, satria io no maneho fianteherana sy fifikirana amin'Ilay mahefa ny zavatra rehetra. Menatra ny amin'ny tenany ilay mpamory hetra. Tsy maintsy ho toy izany koa ny amin'izay rehetra mitady an'Andriamanitra. Ny finoana sy ny vavaka no sandry roa amihinan'ny mpivavaka mila vonjy Hay fitiavana tsy manam-petra. (...)

Miresaka amin'i Jesôsy isika eny an-dalana, ary hoy Izy amintsika: "Eto ankavananao Aho." Afaka miara-dalana amin'i Kristy isan'andro isika. Rehefa mamboraka ny faniriantsika Aminy isika, dia mety tsy ho ren'ny sofin'olombelona izany, kanefa tsy ho very an-javony tsy akory, na eo aza ny tabataba sy ny rotoroton'ny fiainana. (...) Andriamanitra no iresahantsika, ary re ny vavaka ataontsika. Koa mangataha. "Mangataha, dia omena hianareo." - RH, 30 Olctobra 1900. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal