"Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin 'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin 'izay andro mahory" Heb. 4:16.
Mofon’aina:
Tsy asa fanavotana noho ny fahotana tsy akory ny vavaka. Tsy asa fanonerana izany. Tsy tokony hanatona an'Andriamanitra toy ny mpanota voaheloka ho faty isika, satria efa naloan'i Kristy ny sazin'ny fandikan-dalana nataontsika. Efa nanan fanavotana ho antsika Izy. Efa nodioviny tamin'ny rany ny fahotantsika. Ny fangatahantsika dia toy ny taratasy alefa avy et' an-tany ho any amin'ny Raintsika any an-danitra. Azo antoka fa ho tonga any Aminy ny vavaka asandratra amin'ny fo marina sy manetry tena. Hainy ny mamantatra ny fahatsoram-pon' ny zanaky natsangany. Mangoraka antsika ao anatin'ny fahalementsika izy ary manatanjaka antsika ao anatin' ny fahosantsika. Hoy lzy: "Mangataha, dia homena hianareo."
Olona maro no tsy mahafantatra izay tokony hangatahiny sy tsy mahay mangataka araka ny tokony ho izy. Kanefa malemy fanahy sy be fitiavana Andriamanitra. Ampiany izy ireo noho ny tsy fahatanterahany ka ataony eo am-bavany ny teny. (...) I Kristy no mpanalalana antsika. Ankasitrahan'ny Ray ny vavaka rehetra atao eo amin'ny lovia volamenan'ny fahamendrehan' ny Mpamonjy.
Antsika avokoa ny teny fikasana tsirairay ao amin'ny Tenin' Andriamanitra. Asehoy ao amin'ny vavakao ny fampanantenana efa nomen'i Jehovah, ary takio amim-pinoana ny teny fikasany. Manome toky antsika ny teniny fa raha mangataka amim-pinoana isika, dia ho azontsika ny fitahiam-panahy rehetra. Mangataha hatrany, dia handray mihoatra noho izay nangatahinao sy noeritreretinao ianao. Beazo ny tenanao hatoky tsy misy fetra an'Andriamanitra. Apetraho Aminy ny fanahianao rehetra. Andraso amim-paharetana Izy fa hiditra an-tsehatra ho anao.
Mila manatona an'Andriamanitra isika, tsy amin'ny toe-tsaina manama-rin-tena, fa amin-panetren-tena, sady mibebaka amin'ny fahotan-tsika. Manana ny haren'ny lanitra Izy hanomezana izay ilaintsika. Masina Andriamanitra, ary isika tsy maintsy mivavaka, "rnanandra-tànana masina, tsy amin'ny fahatezerana na amin'ny fifandirana." - I Tim 2:8. (...)
Mila mikatsaka ny fanjakan' Andriamanitra sy ny fahamarinany aloha isika (Mat. 6:33). Aoka isika ho vonona handray ireo fitahiana izay arotsak'Andriamanitra amin' izay mitady Azy amin'ny fo manontolo, amim-pahatsoram-po sy fahamarinana. - ST, 18 Nôvambra 1903.