Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manetsika ny lanitra ny vavaka

Daty
Alatsinainy 09 March 2026

 "Mangataha, dia homena hianareo: mitadiava, dia hahita hianareo; dândâny, dia hovohana hianareo." - Mat. 7:7.

Mofon’aina:
Nahoana isika no tsy maharay betsaka kokoa avy amin'Ilay Loharanon'ny fahazavana sy ny hery? atria kely fangataka isika (...).

Tsy omentsika ny tombambidy sahaza azy ny hery sy ny fahombiazan' ny vavaka. "Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy nyfahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina." — Rôm. 8:26. Irin' Andriamanitra ny hanatonantsika Azy amin'ny alalan'ny vavaka mba hahafahany manazava ny saintsika. Izy irery no afaka manome fahatakarana mazava ny fahamarinana. Izy irery no afaka manalefaka sy mampilefitra ny fo. Hainy ny manafaingana ny asan'ny saina mba hanavahantsika ny marina amin'ny diso. Hainy ny mampitony ny saina miroaroa, ny manome fahalalana sy finoana izay haharitra ny fizahan-toetra. Koa mivavaka, ka aza mitsahatra. Handre ny vavakao ilay Andriamanitra izay nandre ny vavaka nataon'i Daniela, raha manatona Azy tahaka izay nataon' i Daniela ianao.

Aoka isika hanana fifandraisana ety amin'Andriamanitra. Ny fifalian'ny Kristianina dia avy amin'ny fahatsapana ny fitiavanasy ny fiahian' Andriamanitra ny zanany, ary ny fananany toky fa tsy hamela azy ireo ho irery ao anatin'ny fahalemeny Izy. - RH, 24 Marsa 1904.

Ilaintsika ny mahafantatra ny tokony ho fomba fivavaka. Tsy ny vavaka mangatsiaka sy tsy misy aina no hahakasika ny fon'Andriamanitra. Ren'Andriamanitra ny vavaka rehefa avy amin'ny fo torotoro izay mahatsapa ny tsy fahamendrehany. Natao ho fampaherezana sy famonjena antsika ny vavaka, mba hahafahantsika mamikitra amin'ny hare,n'ny teny fi kasan' Andriamanitra ami n' ny alalan'ny finoana sy ny fanantenana.• Fanehoana ny fanirian'ny fanahy noana sy mangetaheta ny fahamarinana ny vavaka. L, 121, 1901. 

Fitaovana hahazoana fahombiazana izay nomen'ny lanitra antsika ny vavaka. (...) Ny hery izay azo ho setrin'ny fivavahana no hahatonga ny olona ho hendry araka ny fahendren'ny lanitra, ary izany no hahafahany miasa ao amin'ny firaisana amin'ny Fanahy, akamban'ny fatoram-pihavanana. (...) izay mametraka ny tenany eo amin'ny toerana hahafahan' Andriamanitra manazava azy dia mandroso, toy ny miala ao amin'ny hazavana somambisambin'ny maraina ho amin'ny fam irapiratana fenon'ny mitataovovonana. - RH, 28 Janoary 1904. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal