Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Jesôsy, Ilay nahery nivavaka

Daty
Talata 10 March 2026

"Nefa tsy ho an 'ireto ihany no angatahako, fa ho an 'izay mino Ahy koa noho ny teniny." — Jao. 17:20.

Mofon’aina:
Alao sary an-tsaina i Kristy, Ilay iankohofan'ny anjely, mitalaho amim-bavaka. Nahery nivavaka Izy, nangataka fanampim-pahasoavana hatrany avy eo an-tanan'ny Ray, ary nahazo hery sy famelombelomana nahafahany nampianatra lesona momba ny toky sy ny fanantenana. Indro Izy mandohalika, mandoatra ny fanahiny eo anatrehan'ny Ray, eo ambanin'ny tara-pahazavan' ny volana. Indreo ny anjely manara-maso Ilay mpivavaka marina amin' Andriamanitra. Misandratra any an-danitra ho antsika ny vavaka ataony.

Matetika ny mpianatra no nahita an'i Kristy nandohalika nivavaka tamin'ny fo torotoro sy mietry. Ary rehefa nitsangana avy teo am-pandohalehana ny Tompo, inona no hitan'izy ireo teo amin'ny endriny sy ny fihetsiny? Fahavononana hanatanteraka ny adidy sy hiatrika ny fitsapana. Nilain'ny maha olombelona Azy ny vavaka. Mazàna no narahim-pitarainana mafy sy fahoriam-panahy lalina ny fangatahany teo am-pahitana ny tsy fahampian'ny mpianany, izay matetika hazan'ny fakam-panahin' i Satana noho ny tsy fahafantarana ny loza mandindona azy, ka voataona hiala amin'ny lalan'ny adidy ho amin'ny lalan-diso.

Madio tsy nisy pentina ny fiainan'i Jesosy. Tsy nanaiky ho lavon'ny fakam-panahin'ny fahavalo Izy. Raha sanatria lavo tamin'ny iray monja Izy, dia ho very ny taranak'olombelona. Tsy misy mahazo an-tsaina ny fijalian'i Kristy eo am-pahitana an'i Satana mampidi-doza ny fanahin'ireo izay mitonona ho mpianany, sy eo am-pahitana ireto farany milefitra tsikelikely mandra-pirodan'ny mandan'ny fanahiny! Ho Azy dia mihoatra lavitra noho izao tontolo izao ny fanahy iray very na avela ho eo ambany vahohon'i Satana (...). Mahery indrindra ity vavaka ity: "Mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan 'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy. Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika." — Jao. 17:21,22 - Ms, 9. 1906.

Aseho ho mpikatsaka sy mpitady ny ondry very i Jesosy. Ny fitiavany no manodidina antsika, mamerina antsika ho ao am-bala, ary manome tombontsoa antsika, dia ny fiarahana mipetraka Aminy any an-danitra. - Ms, 139, 1898.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal