«Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina.» - Rôm. 8:26.
Mofon’aina:
Tsy hoe tsy maintsy mivavaka fotsiny amin'ny anaran'i Kristy isika, fa amin'ny fibitsihan'ny Fanahy Masina koa. Izany dia manazava ny dikan'izay voalaza hoe: «Nv Fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina». Mahafaly an'Andriamanitra ny mamaly fivavahana toy izany. Rehefa manonona vavaka amin'ny anaran'i Kristy amin-kafanam-po sy amin-kery isika, dia ao amin'io hery io indrindra no misy antoka avy amin'Andriamanitra fa hamaly ny fivavahantsika Izy, «mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza» (Efes. 3:20). — VM, t. 120. Homena ireo izay mikatsaka ny heriny sy ny fahasoavany ny Fanahy Masina, ary mamonjy antsika amin'ny fahalementsika rehefa mita miresaka amin'Andriamanitra isika. Misokatra handray ny fangatahantsika ny lanitra, ary asaina isika «hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin 'izayandro mahory.» - Heb. 4:16. — ST, 18 Avrily 1892.
Azontsika ankinina amin' Andriamanitra n’y fiarovana ny fanahitsika amin'ny maha
Mpamorona mahatoky Azy, tsy satria tsy manan-tsiny isika, fa satria maty i Jesosy mba hamonjena indrindra ny voary mpanota sy tsy lavorary toa antsika. Toy izany no anehoany ny tombambidin'ny fanahin'ny olona. Mahazo matoky an'Andriamanitra isika, tsy noho ny fahamendrehantsika, fa noho ny fahamarinan'i Kristy izay isaina ho antsika.
Misy teny fikasana maro ho antsika ao amin'ny Tenin'Andriamanitra. Ampy sy feno ny drafi-panavotana. (...) Tsy voatery hiantehitra amin'ny porofo nananantsika herintaona na iray volana lasa isika, fa mahazo matoky kosa anio fa velona i Jesosy ary manao fanelanelanana ho antsika.
Tsy mandao ireo zanany maniasia, izay malemy finoana sy be fahadisoana, Andriamanitra. Manongi lan-tsofi na mihaino ny vavaka sy ny fanambarana ataon'izy ireo ny Tompo. Ireo izay mijery an'i Jesosy isan'andro sy isan'ora, ary maharitra mivavaka, no manakaiky an'i Jesosy. Mamelatra ny elany ireo anjely, vonona hitondra ny vavaka ataon'izy ireo amin'ny fo torotoro ho any amin'Andriamanitra, sy hanoratra izany ao amin'ny bokin'ny lanitra. — SDABC, b. 4, t. 1184.
Daty
Sabotsy 14 March 2026