Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fanelanelanana ataon'ny Fanahy

Daty
Sabotsy 14 March 2026

 «Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina.» - Rôm. 8:26. 

Mofon’aina:
Tsy hoe tsy maintsy mivavaka fotsiny amin'ny anaran'i Kristy   isika, fa amin'ny fibitsihan'ny Fanahy Masina koa. Izany dia manazava ny dikan'izay voalaza hoe: «Nv Fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina». Mahafaly an'Andriamanitra ny mamaly fivavahana toy izany. Rehefa manonona vavaka amin'ny anaran'i Kristy amin-kafanam-po sy amin-kery isika, dia ao amin'io hery io indrindra no misy antoka avy amin'Andriamanitra fa hamaly ny fivavahantsika Izy, «mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza» (Efes. 3:20). — VM, t. 120. Homena ireo izay mikatsaka ny heriny sy ny fahasoavany ny Fanahy Masina, ary mamonjy antsika amin'ny fahalementsika rehefa mita miresaka amin'Andriamanitra isika. Misokatra handray ny fangatahantsika ny lanitra, ary asaina isika «hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin 'izayandro mahory.» - Heb. 4:16. — ST, 18 Avrily 1892. 
Azontsika ankinina amin' Andriamanitra n’y fiarovana ny fanahitsika amin'ny maha 
Mpamorona mahatoky Azy, tsy satria tsy manan-tsiny isika, fa satria maty i Jesosy mba hamonjena indrindra ny voary mpanota sy tsy lavorary toa antsika. Toy izany no anehoany ny tombambidin'ny fanahin'ny olona. Mahazo matoky an'Andriamanitra isika, tsy noho ny fahamendrehantsika, fa noho ny fahamarinan'i Kristy izay isaina ho antsika. 
Misy teny fikasana maro ho antsika ao amin'ny Tenin'Andriamanitra. Ampy sy feno ny drafi-panavotana. (...) Tsy voatery hiantehitra amin'ny porofo nananantsika herintaona na iray volana lasa isika, fa mahazo matoky kosa anio fa velona i Jesosy ary manao fanelanelanana ho antsika. 
Tsy mandao ireo zanany maniasia, izay malemy finoana sy be fahadisoana, Andriamanitra.  Manongi lan-tsofi na mihaino ny vavaka sy ny fanambarana ataon'izy ireo ny Tompo. Ireo izay mijery an'i Jesosy isan'andro sy isan'ora, ary maharitra mivavaka, no manakaiky an'i Jesosy. Mamelatra ny elany ireo anjely, vonona hitondra ny vavaka ataon'izy ireo amin'ny fo torotoro ho any amin'Andriamanitra, sy hanoratra izany ao amin'ny bokin'ny lanitra. — SDABC, b. 4, t. 1184.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal