Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Maneho taratra ny fitiavany

Daty
Sabotsy 28 March 2026

Hidera Anao ny firenena Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.» - Sal. 67:3.

Mofon’aina:
Amin'ny maha Kristianina antsika, dia tokony hidera an'Andriamanitra mihoatra noho izao ataontsika izao isika. Tokony hiseho bebe kokoa eo amin'ny fiainantsika ny famirapiratan'ny fitiavany. Rehefa mijery an'i Jesosy amin'ny finoana isika, dia hita taratra eo amin'ny endritsika ny fifaliany sy ny fiadanany. (. ..) Rehefa velombelomin'ny Fanahy Masina ny fanahintsika, dia hisy fiantraikany tsara amin'ny hafa izay tsy mahalala ny fifaliana avy amin'ny fanatrehan'i Kristy izany. – SDABC, b. 3, t. 1148.

 Tsy tian'ny Tompo ho olona malahelo lava ny vahoakany. Tiany hibebaka amin'ny fahotany izy ireo, mba hahafahany misitraka ny atao hoe fahafahan'ny zanak'Andriamanitra. Amin' izay dia ho feno fiderana an'Andriamanitra izy ireo, ary ho fitahiana ho an'ny hafa.

Nohosorana koa ny Tompo Jesosy mba "Hanolotra ho an 'ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy hamama ho solon 'ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon'ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solonsny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon'ny fahamarinana, nambolen'i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra. " – Isa. 61:3.

Ny hanome voninahitra an'i Kristy; enga anie izany no ho tanjon'ny fiainantsika! Koa mila tandremantsika na ny endrika asehontsika, na ny fitenintsika, eny, na ny lantom-peontsika eo am-pitenenana aza. SDABC, b. 4, tt. 1153,1154.

Ny hira fiderana no rivo-piainan'ny lanitra; ary rehefa mikasika ny tany ny lanitra, dia misy hira sy feon-kira — "ny fisaorana, sy ny feo fiderana" – Isa. 51:3. (...) Aoka hisy hirahira ao an-trano, hira mahafinaritra sy madio, dia hihena ny teny henjana ary hitombo ny fifaliana sy ny fanantenana. (...)

Rehefa entin'ny Mpamonjintsika eo an-tokonan'ny mandrakizay isika ka feno ny voninahitr'Andriamanitra, dia afaka mahazo an-tsaina ireo hira fiderana sy fisaorana ataon'ny antoko mpihiran'ny lanitra izay manodidina ny seza fiandrianana; rehefa tonga ao amin'ny tokantranontsika eto an-tany ny akon'ny hiran'ireo anjely, dia ho voataona hanakaiky kokoa ireo mpihiran'ny lanitra ny fon'ny maro. Manomboka ety an-tany ny firaisana amin'ny lanitra. Eto isika no mianatra ny feo fiderana ataon'ny anjely. – YI, 29 Marsa 1904.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal