Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahatoky amin'Andriamanitra sa amin'ny olona?

Daty
Zoma 22 May 2026

 «Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.» - Asa. 5:29.

Mofon’aina:
Tsy nisy nanameloka azy teo anatrehan'Andriamanitra ny fieritreretan'i Daniela sy ireo namany. Tsy voahazona anefa izany raha tsy misy ezaka mafy atao. Fitsapana lehibe tokoa no nihatra tamin'ireo naman'i Daniela telo lahy rehefa nasaina niankohoka teo anoloan' ilay sariolona lehibe natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka teo amin'ny tany lemaka Dora izy ireo! Nandrara azy tsy hanome voninahitra ny sampy ny foto-kevitra notanany, satria mandrafy ny Andriamanitry ny lanitra izany. 
Fantatr'izy ireo fa avy amin'Andriamanitra ny fahaizana amam-pahalalany rehetra, ary na feno hatsaram-panahy sy firaiketam-po tamin'ny olona rehetra aza izy ireo, dia nanam-paniriana lehibe haneho ny fahatokiany tanteraka tamin'ny Andriamaniny. (...)

 Hoy ny mpanjaka tamin'ireto tovolahy Hebreo telo ireto: "raha (...) miankohoka sy mivavaka amin'ny sariolona izay nataoko, dia tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin 'izay ho ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin 'ny tanako izany?" Dia namaly ireo tovolahy hoe: "Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony 
hamalianay anao akory ny amin 'izany zavatra izany. Inde o, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin'ny lafaoro misy afo mirehitra (...). An) na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, 'y mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay." —Dan. 3:15-18. (…) Natsipy tao anaty afo ireo tovolahy mahatoky ireo, nefa nasehon'Andriamanitra ny heriny nanafaka ny mpanompony. (...)

 Araka izany, nanambara ny finoany tamin'ny firenena manontolo ireto tovolahy feno ny Fanahy Masina ireto, fa ilay notompoin'izy ireo no hany Andriamanitra marina sy velona. (...) Mba hampiaiky volana ny mpanompo sampy eo anatrehan'ny hery sy ny fahalehibeazan'Andriamanitra velona, dia tsy maintsy asehon'ny mpanompony ny fanajany an'Andriamanitra. Tsy maintsy asehony mazava fa Izy irery ihany no omen izy ireo voninahitra sy iankohofany, ary tsy misy na inona na inona, na dia ho fiarovana ny ainy aza, mety hampilefitra azy ireo amin'ny fivavahana amin'ny sampy, na kely aza. Misy fiantraikany mivantana sy iankinan'aina eo amin'ny fanandramana iainantsika amin'izao andro farany izao ireo lesona ireo. —Ms, 16, 1896. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal