«Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.» - Asa. 5:29.
Mofon’aina:
Tsy nisy nanameloka azy teo anatrehan'Andriamanitra ny fieritreretan'i Daniela sy ireo namany. Tsy voahazona anefa izany raha tsy misy ezaka mafy atao. Fitsapana lehibe tokoa no nihatra tamin'ireo naman'i Daniela telo lahy rehefa nasaina niankohoka teo anoloan' ilay sariolona lehibe natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka teo amin'ny tany lemaka Dora izy ireo! Nandrara azy tsy hanome voninahitra ny sampy ny foto-kevitra notanany, satria mandrafy ny Andriamanitry ny lanitra izany.
Fantatr'izy ireo fa avy amin'Andriamanitra ny fahaizana amam-pahalalany rehetra, ary na feno hatsaram-panahy sy firaiketam-po tamin'ny olona rehetra aza izy ireo, dia nanam-paniriana lehibe haneho ny fahatokiany tanteraka tamin'ny Andriamaniny. (...)
Hoy ny mpanjaka tamin'ireto tovolahy Hebreo telo ireto: "raha (...) miankohoka sy mivavaka amin'ny sariolona izay nataoko, dia tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin 'izay ho ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin 'ny tanako izany?" Dia namaly ireo tovolahy hoe: "Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony
hamalianay anao akory ny amin 'izany zavatra izany. Inde o, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin'ny lafaoro misy afo mirehitra (...). An) na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, 'y mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay." —Dan. 3:15-18. (…) Natsipy tao anaty afo ireo tovolahy mahatoky ireo, nefa nasehon'Andriamanitra ny heriny nanafaka ny mpanompony. (...)
Araka izany, nanambara ny finoany tamin'ny firenena manontolo ireto tovolahy feno ny Fanahy Masina ireto, fa ilay notompoin'izy ireo no hany Andriamanitra marina sy velona. (...) Mba hampiaiky volana ny mpanompo sampy eo anatrehan'ny hery sy ny fahalehibeazan'Andriamanitra velona, dia tsy maintsy asehon'ny mpanompony ny fanajany an'Andriamanitra. Tsy maintsy asehony mazava fa Izy irery ihany no omen izy ireo voninahitra sy iankohofany, ary tsy misy na inona na inona, na dia ho fiarovana ny ainy aza, mety hampilefitra azy ireo amin'ny fivavahana amin'ny sampy, na kely aza. Misy fiantraikany mivantana sy iankinan'aina eo amin'ny fanandramana iainantsika amin'izao andro farany izao ireo lesona ireo. —Ms, 16, 1896.