Hamarinina (avela heloka ary aseho ho marina eo anatrehan'Andriamanitra) amin'ny finoana isika (Rom. 5:1). Avy eo, hamasinina (omena hery ho tonga tahaka an'i Jesosy) amin'ny finoana koa isika (Asa. 26:18). Rehefa manasa an'i Jesosy hiditra eo amin'ny fiainantsika isika, dia tonga zanak'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana (Jao. 1:12). Velona amin'ny alalan'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra isika (Gal. 2:20).
Ny fanahy izay malemy indrindra, nefa raha ny tena marina dia tsy azo resena indrindra dia izay mahatsapa ny maha-tsinontsinona azy ka miankina tanteraka amin'ny fahamendrehaniny Mpamonjy. Amin'ny alalan`ny fivavahana, ny fianarana ny teniny, ny finoana ny fanatrehany, no ahazoaniny olombelona malemy indrindra mivelona amin'ny fifandraisana amin'i Kristy velona, ary hihazona Azy amin'ny tanany izay tsy hivaha na oviana na oviana.» TMF, t. 116.
«Mila fampaherezana avy amin'ny fivavahana mafana sy ny fifadian-kanina ary ny fietren'ny to ny finoany. Tsy maintsy foanany ny 'izaho' ka hotenoin'ny Fanahy sy ny herin'Andriamanitra. Ny fitalahoana mafana sy maharitra amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana, —dia finoana izay mitarika ho amin'ny fiankinana tanteraka amin'Andriamanitra, sy fanoloran-tena tsy misy fepetra ho amin'ny asany, — ireny ihany no mahasoa ka hitondra ny tanampian'ny Fanahy Masina ho an'ny olona eo amin'ny ady amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin)ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.» - IFM, t. 462, np.
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Inona ireo hevi-dehibe dimy asongadina ao amin'ny lahatsoratra etsy ambony momba ny fiaraha-miasa amin'ny Fanahy Masina hanoherana ny fahavalo?
2. Inona no anjara asan'ny finoana ao amin'izany ady izany?
3. Ahoana no fisehon'izany amin'izao fotoana izao eo amin'ny fiainanao manokana?
4. Vakio ny Heb. 10:23. Nahoana no zava-dehibe ny mihazona mafy ny fanekem-pinoantsika?
5. Impiry ianao no misaintsaina ilay fahamarinana hoe: rehefa mahatsiaro ho tsy manan-kery ianao, dia eo indrindra no fotoana ahafahanao miantehitra bebe kokoa sy tanteraka amin'i Jesôsy ?